Politique

Mikorontana ny fanjakana Mitokona ny mpiasan’ny ministeran’ny jono


  • Zoma 17 Janoary 2020

Mitokona ary mangataka ny tsy hikambana amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana intsony ny mpiasan’ny minisiteran’ny jono.

 

Tokony ho minisitera anankiray mahaleotena tanteraka ny miandraikitra ny seha-pihariana jono, hoy ny fangatahan’ireo mpiasa mitokona.  Mifototra amin’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono ny toekarena Malagasy ary tena mavesatra be ireo raha akambana iray. Rehefa izay mantsy dia tsy maintsy misy hatrany ny taraiky amin’ireo sehatra ireo ka anisany ny jono izay nihemotra hatrany amin’izao. Ankoatra ny olana maro tsy voavaha dia nihena 50% ny vola nampidiriny tamin’ny taona 2019 raha oharina tamin’ny 2018. Voakasika na ny hetra niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana na ny vola vahiny niditra avy any ivelany. Manoloana ny olana dia nilaza ireto mpiasa fa efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny minisitera tompon’andraikitra ary efa tonga hatrany amin’ny filoham-pirenena ny tatitra ka andrasana ny famahana ny olana haingana. Ankatoky ny fijerena ny tomban’ezaky ny minisitera ihany koa ny fanjakana amin’izao ka matoky ny fahaizana mandray andraikitra ny mpiasa mba tsy hitohizan’ny olana intsony. Tsy misy miasa mihitsy moa ny mpiasa rehetra eo anivon’ny minisiteran’ny jono manerana ny faritra rehetra ary nilaza izy ireo fa tsy misy mihitsy ny ambadika politika fa ny tombontsoan’ny mpiasa sy ny seha-pihariana no laharam-pahamehana.

Tsirinasolo

Taona

2018

2019

Hetra niditra (Ar)

12 931 899 082

6 875 956 218

Vola vahiny niditra (Ar)

8 575 564 431,34

4 372 416 230

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT