Hisy fanovana ny mpikamban’ny Governemanta amin’ity herinandro ity raha ny loharanom-baovao iray. Tompon’ny teny farany anefa ny filoham-pirenena, ka asa na hihemotra indray na efa tongotra mby an-dakana ny azy.
Telo ny mety ho antony lehibe, ankoatra ireo pitsopitsony hafa. Voalohany ny famonoana afo manoloana ny fimenomenon’ny vahoaka amina lafin-javatra maro toy ny tsy fandriampahalemana, lozam-pifamoivoizana mahatsiravina nahazo vahana, tsy fahafehezana ny fidangan’ny vidin-javatra, fanaovana kolikoly,… Efa nampiaka-peo sy nilaza mahitsy tamin’ireo tompon’andraikitra tsy mahavita ny andraikiny mba hametra-pialana rahateo ny filoham-pirenena tamin’ny herinandro ambony tamin’ny alalan’ilay fandaharana “Fotoam-bita” andiany faha-15. Tsy nisy na iray aza tompon’andraikitra nametra-pialana taorian’izay. Antony iray faharoa kosa ny fanomanana sahady ny fifidianana ho avy, ka hoesorina avokoa izay tsy tena namana fa mbola somary manao fitan-droa ao anatin’ny governemanta. Miketrika mafy ny mbola hamita fe-potoam-piasana iray faharoa ny antoko HVM, ka tsy maintsy manao izay fomba rehetra hampandaniana ny kandidan’izy ireo. Governemanta hanao propangandy no hajoro eo araka izany, fa tsy hamaha ny fahasahiranam-bahoaka velively. Antony iray lehibe fahatelo ny tsy filaminan’ny fitondrana intsony, ary tsy mifampatoky intsony ny samy ao an-dapa amin’izao fotoana. Miezaka ny tsy haneho ny fifandirana anatiny ny samy mpitondra saingy efa porofo iray amin’ny tsy fifankahazoana ny nialan’ny minisitry ny vola sy ny tetibola teo aloha, Gérvais Rakotoarimanana. Na ny minisitra sasany ao anaty governemanta aza efa manomana ny lalan-kivoahany sy hanosi-bohon-tanana an-dRajaonarimampianina raha ny fantatra.
Resaka kolikoly
Anisan’ny ratsy toerana sy efa ela no saika hoesorina ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier, saingy tsy mety voakitika hatramin’izao. Mahalala ny tsiambaratelon’ny filoha sy ny manodidina azy ity farany, ka izay no hahafahany mamikitra ao anatin’ny fitondrana mandrak’ankehitriny. Nampalaza ratsy azy anefa ny raharaha Claudine Razaimamonjy, ary izy sisa no voalaza fa andry ianteheran’io ramatoa io amin’ny fiarovana azy sy ny aferany. Anarana re fa mety hasolo azy ny minisitra ny varotra sy ny fanjifana Tazafy Armand. Re ihany koa fa atosiky ny sehatra iraisam-pirenena ny minisitry ny raharaham-bahiny Atallah Béatrice. Nisamboaravoara teo amin’ireo olona ireo ny resaka tamin’ny fotoana farany saika hanovana ny governemanta, saingy miandry ny rehetra. Io mety ho avy manaraka io izany no fanovana mpikambana ao amin’nygovernemanta fanindroany tato anatin’ny 1 volana satria ny 17 jolay 2017 no voatendry ho minisitry ny vola vaovao Rtoa Vonintsalama Sehenosoa Andriambololona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.