Raikitra indray omaly ny fidarohan’ireo “gros bras” ny mpiasan’ny kaominina.
Niezaka niaro tena ireto farany. Naratra mafy ny iray izay kilemaina ary nanao asa fiambenana moto sy bisikileta teo anivon’ny kaominina noroahin’ny ben’ny tanàna vaovao. Roa kosa no voan’ny hazo nentiny ihany ireo “gros bras” ka naratra sy vaky loha ary voatery nozairina teny amin’ny hopitalibe vokatry ny ratra. Tao anatin’izay anefa dia raikitra ihany koa ny fanondrahana rano nataon’ireo “gros bras” ny mpiasa mitokona tamin’ny alalan’ny fiara mpamonjy hain-tranon’ny kaominina nohafaran’ny ben’ny tanàna, raha nialangalana tsy nanaiky nanao izany ireo mpiasan’ny mpamonjy voina. Tsy nipoaka kosa anefa ilay basy fandefasana ireo lakrimozena saika nanapariahana ireo mpisakoroka, hany ka voatery najanona. Nanomboka teo dia tonga nitaky ny fahazoany mivarotra eny amoron-dranomasina ihany koa teo anoloan’ny lapan’ny tanàna ireo mpivarotra noesorin’ny ben’ny tanàna ao anatin’ny fanadiovana entiny ankehitriny. “Elysée degage” no hiaka nentin’izy ireo tamin’izany, ka voatery nanamafy ny olombelony tamin’ny fanampiana isa ireo efa tonga teo amin’ny lapan’ny tanana ireo mpitandro ny filaminana. Ireo solontenan’ny mpivarotra nalana kosa tsy tafiditra ny lapan’ny tanàna na nikasa ny hiresaka tamin’ny ben’ny tanàna aza. Mbola hatahorana ny hiveranan’ny sakoroka anio, noho ny fahenoana fa hifamaly faty tamin’ny zava-nanjo ny namany naratra avy ny an-daniny sy ny an-kilany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.