Politique

Mikorontana anaty ny FAT Tsy voatana hatramin’ny tsiambaratelo


  • Zoma 23 Septambra 2011

Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao maro ny amin’ilay didy fampisamborana an’Atoa Marc Ravalomanana.

 Efa tamin’ny martsa 2010 sy aogositra 2010 no namoahan’ny fitsarana azy ireo, saingy nohetsehina indray ny sabotsy 17 septambra 2011, raha vao vita sonia teny amin’ny Le Paon d’Or Antanetibe Ivato ilay sori-dalana. Ny nahatongavan’ny taratasy nalefan’ny “Procureur général” tany amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ka nanomezan’ity farany baiko ireo ambany fahefany hanatanteraka io didy io, no ela dia efa niparitaka teny amin’ny tranokala ilay didy, na dia tokony ho tsiambaratelo tanteraka aza izany, araka ny voamarika tamin’ny tombokase mena midoheritra tamin’ilay taratasy. Io no porofo fa tsy milamina eo anivon’ny foloalindahy, na miezaka manafina izany aza ny minisitry ny foloalindahy. Ny fiparitahan’ny taratasy tsiambaratelo toy izao koa dia ampy hilazana fa tsy manara-drenirano ny mpitondra FAT avokoa ny eo anivon’ny foloalindahy. I Manandafy Rakotonirina, filoha nasionalin’ny antoko MFM sady anisan’ireo mpitarika ao amin’ny ankolafy Ravalomanana, moa dia milaza ombieny fa tsy afaka mandeha ila ny famahana izao krizy izao, fa mila aravona ihany koa  ny olan’ny miaramila.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT