Politique

Mikorapa ny ao an-dapa Hanala ireo be vinany ny filoha ?


  • Zoma 05 Aogositra 2016

Mandeha ny feo fa hisy ny fanadiovana ireo olona manodidina ny filoha Hery Rajaonarimampianina ka maro ireo lohandohan’ny mpisorona mety hoesorina

 

. Mahatsapa hogejain’ireo olona sasany akaiky azy ny filoha ka tsy manana ny fahaleovantenany intsony amin’ny fanapahan-kevitra raisina. Misy ihany koa ny manolo-tsaina diso, ao ireo mampijabaka tsotra izao. Misy ireo malaza fa mpanao afera maizina. Miteraka laza ratsy amin’ny fomba fitantanan-dRajaonarimampianina ny firenena ny fihetsik’ireo olona sasany manodidina azy ireo. Manoso-potaka ny filoha ny fanjakazakana ataon’ireo olon’ny antokony sasantsasany ka izay no mety ho anton’ny fanadiovana.

 Mampametra-panontaniana ihany anefa ny zava-misy. Vaky tanteraka ve ny HVM ka izay no mahatonga izany ary ho sahin’ny filoha ve no handroaka ireo namany akaiky tao anatin’ity antoko ity ? Maro amin’ireo olona akaiky ny filoha no efa ela no nalaza tamin’ny fanondranana harem-pirenena toy ny andramena. Anisan’ny nisongadina ny fahatrarana ny mpanolotsaina akaiky ny filoha iray izay nitondra volabe mitentina 3 tapitrisa euros tany Frantsa, ny 9 desambra 2015. Misy ihany koa mpanolotsaina akaiky ny filoha malaza ratsy amin’ny fanaovana afera ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina sady voatonontonona amin’ny raharaha boaderôzy. Misy koa ny ramatoa iray akaiky ny filoha  tena malaza ho tompon’ny afera sy ny fizaram-bola etsy sy eroa. Ny mahagaga fotsiny dia maninona ny filoha no izao vao handray izany fanapahan-kevitra izany kanefa efa ela ihany no mampikaikaika ny maro ireo olona sasany manodidina azy ireo ? Ny ampitso no hahafahana mamaly izany fa ny tsy azo lavina aloha dia mikorosy fahana ny Malagasy ary anisan’ny fototra ireo olona akaiky ny filoha izay mitondra tena ho toy ny tsy maty manota eto amin’ny firenena.

 

                                                                                                                                 Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT