Politique

Mikiribiby i Rajoelina Ambivitra ny ady an-trano


  • Alarobia 23 Mey 2012

20 minitra teo ho eo ny faharetan’ny fihaonan’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, tamin’ny mpanao gazety, omaly tolakandro tao Ambohitsorohitra.

 Ny teny hoe fifidianana no tena niverimberina tao anatin’ny fanambarany. Tonga amin’ny kihon-dalana farany ny tetezamita ankehitiny hoy izy, ka tokony hifanome tanana ny rehetra, miainga any amin’ny filohan’ny tetezamita ka hatrany amin’ny filoham-pokontany mba hanomana ny fifidianana.

Raha ilay fe-potoana fiomanana valo volana nambaran’ny Firenena Mikambana no raisina dia amin’ny volana janoary 2013 isika no hiatrika fifidianana, hoy Atoa Rajoelina, saingy efa vanimpotoanan’ny orana anefa izany. Afaka aroso anefa ny fifidianana fa kosa miankina amin’ny fifanarahan’ny rehetra izany. Nohamafisiny ihany koa fa manomboka amin’ny volana jona dia hanome izay rehetra ilain’ny CENIT ny fitondrana tetezamita mba hahafahana manomboka ny asa. Tsy voatery hiandry ny famatsiam-bola avy any ivelany isika vao hihetsika, hoy i Andry Rajoelina. Arak’izany dia tsy mbola maintsy aorian’ny fifampidinihan’ny CENIT sy ireo vondrona politika sy fiarahamonim-pirenena isan-karazany sy ny fanjakana izany, vao mety ho fantatra ny datim-pifidianana. Porofon’ny fitiavan-tanindrazana ny fifanomezan-tanana amin’ny fikarakarana ny fifidianana hoy i Andry Rajoelina, koa dia nanao antso avo amin’ny rehetra ny tenany ho amin’ny fanatanterahana izany. Nambarany fa efa vonona hanampy antsika ny Firenena Mikambana, ary afaka andro vitsivitsy dia hihaona amin’ny filohan’ny SADC ny tenany, ka hiresaka ny fanomanana ny fifidianana ihany.

Tsy hisy indrafo

Momba ny fihetsiky ny mpanohitra hiditra ao amin’ny kianjan’Ambohijatovo kosa dia nahitsy ny tenin’i Andry Rajoelina, tsy misy mihitsy ny indrafo ho an’ireo mpanakorontana sy mampisavorovoro ny fiainam-bahoaka. Nankahery ny mpitandro ny filaminana amin’ny asany izy, ary nilaza fa rehefa tonga ny propagandy dia afaka mamory olona amin’ny toerana rehetra izay tiany, manerana an’i Madagasikara ny mpanao politika. Fa raha amin’izao fotoana izao kosa aloha dia tsy mety ary tsy azo ekena ny famoriam-bahoaka etsy sy eroa. Aminy dia tsy mbola nisy fahalalahana tahaka ny hita amin’izao tetezamita izao teto Madagasikara hatramin’izay. Fa nahazo ny hafatra tamin’ny filohan’ny tetezamita koa ireo mitokona sy manao fitakiana. Aminy dia fitakiana sy grevy noforonina tsotra izao ireny. Tsy ao anatin’ny tetezamia no hitakiana an’izatsy na izaroa, hoy izy. Mila fitoniana sy filaminana ny vahoaka, hoy izy, ka tsy tokony korontanina amin’ny fitokonana. Fa niantefan’ny balan’ny filohan’ny tetezamita koa ny FFKM. Raha ny fandrenesana ny teniny mantsy dia tsy faly loatra tamin’ilay fanambaran’ny FFKM i Andry Rajoelina. Hoy indrindra izy : anjaran’ny tsirairay no mieritreritra hoe mitombina ve sa mitanila sa koa misy tokony ahitsy ny fanambaran’ny FFKM.

 

Tsy hiala

Ny fanatanterahana ny tondrozotra ihany no ahafahana mamaha ny krizy, ilaina koa anefa ny fisian’ny vahaolana politika ary tsy maintsy irosoana ny fifidianana. Mazava ny foto-kevitra ijoroan’i Andry Rajoelina. Nilaza tamin’ny fomba ofisialy ihany koa izy fa vonona ny hanatanteraka hatramin’ny farany ny adidy mavesatra iantsorohany. Diso ary tsy mitombina izany ny siosion-dresaka tato ho ato ny amin’ny hoe mety hametra-pialana ny filohan’ny tetezamita ary hamindra ny fahefana any amin’ny miaramila. Momba ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana kosa dia nambaran-dRajoelina fa tsy mbola nisy ny fifanarahana ny amin’izany. Azo atao tsara anefa ny miresaka sy mifampidinika, hoy izy, fa kosa izay fanapahan-kevitra mahasoa ny firenena ihany no raisina. Momba ny ho filatsahan-ko fidiana na tsia, dia sarin-teny no nanambaran’i Andry Rajoelina fa tsy misy manakana azy tsy ho kandida mihitsy, saingy ny fanapahan-kevitra mahasoa ny firenena no ho raisiny amin’ny fotoana maha mety azy.

Raha fintinina izay rehetra izay dia i Kotozafy ihany no Leksisy, hoy ny be vazivazy. Tsy mbola niova i Andry Rajoelina. Tahaka ny tsy manaitra azy ireo fitokonana etsy sy eroa sy ny antso ho fanoherana ny tsy rariny manomboka mahazo vahana, efa ho herinandro izao. Na ahoana na ahoana dia tsy hiala amin’ny toerany izy, ary ho hentitra ny fepetra ho raisina amin’ireo rehetra midina an-dalambe haneho hevitra. Amin’ny filohan’ny tetezamita koa izany dia mety ary ara-dalàna tsara mihitsy ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana, ary dia nankahery azy ireo mba hahavita be mihitsy izy.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT