Miroso amin’ny fifanakaikezana hananganana ny vondron’ny mpanohitra ireo antoko sy ankolafy tsy mankasitraka ny fitantanan’i Andry Rajoelina ny firenena.
Mivoatra haingana ny toe-draharaha satria raha ny sabotsy lasa teo no nisy ny fifanatonana voalohany dia hiara-mivory ka handinika ny famondronana ny hery izy ireo anio alarobia. Ny ankolafy Zafy, Ravalomanana, Ratsiraka, ny Monina, ny Federalista, ny fikambanana Fiverenana Andoharano, ny fikambanana Mazavaloha, ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, ny Diniky ny samy Malagasy ary ny Raimandreny to teny ara-drazana no nantsoina ka tokony hametraka ilay vondrona raha ny fanazavan’i Lalatiana Ravololomanana, anisan’ireo tompon-kevitra. Nomarihany fa tsy nanova na inona na inona ary tsy nahatafapetraka ny fitoniana ny fidiran’ny Ankolafy Ravalomanana sy ny Monina ary ny Ankolafy Zafy sasany tao amin’ny FAT ka tsy ilaina intsony ny fiaraha-mitantana fa ny fanambarana ny hery ao amin’ny Vondron’ny mpanohitra no tokony hatao.
Nilaza kosa ny pastera Edouard Tsarahame fa izay ao anatin’ny fitondrana ka te hiditra amin’ity fiaraha-mientana ity dia mila miala izy ka miaraka amin’ny mpanohitra tanteraka. Aorian’io dinika anio io dia mikasa hanatanteraka hetsika ry zareo ka efa mampilaza sahady fa tsy hisy ny fandrobana na fanimban-javatra amin’izany. “Ny mpitondra amin’izao no nanatanteraka izany herisetra izany raha nandoro ny RNM sy TVM ary ny fananan’olona fa tsy izahay mihitsy. Ny hevitra ny anay no ampiadiana”, hoy i Lalatiana Ravololomanana. Raha ny vinan’ireto tompon-kevitra ireto dia ny mpanao politika manohana ny filohan’ny FAT sy ny vondron-kery manohitra azy no tokony hifanandrina ara-kevitra rehefa tanteraka ilay tetikasa.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.