Politique

Mikatso ny fanarenam-pirenena Miketrika fikaonandoha ny VOT


  • Alarobia 15 Jona 2016

Misasaka sahady ity ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika nefa tsy mbola hita taratra hatreto ny dingana mankany amin’ny fanarenana ny fiainam-pirenena.

 

 Tsy vitan’ny diso paikady ny mpitondra fanjakana fa variana loatra amin’ny zavatra tsy laharam-pahamehana manoloana ny fitombon’ny fahasahiranan’ny vahoaka mpiray tanindrazana. Lasa kabary ambony latabatra fotsiny rahateo ireo fampanantenana hisian’ny fitoniana sy ny filaminana eto Madagasikara mivoaka ny vavan’ireo manampahefana. Ohatra mivaingana azo tsapain-tanana amin’izany ilay fampihavanam-pirenena izay difotra tanteraka tsy hita tabilao intsony, hoy ny filoha nasionalin’ny Vondron’Olon-Tsotra (VOT) Ravaonirina Sarah Zoé. Tsy nitsahatra nanara-maso ny fizotran’ny fiainan’ny fiarahamonina hatramin’ny nambolena krizy tamin’ny taona 2009  rahateo ireto farany. Nanantena ny fivoaran’ny raharaham-pirenena taorian’ny fiverenan’ny fitondrana ara-dalàna manaraka ny Lalàmpanorenana ny volana desambra 2013. Leo sy tofoka ihany koa amin’ny zava-misy tsy mandeha amin’ny laoniny ka manam-pikasana ny hikarakara fikaonandoha ho an’ny olon-tsotra, araka ny fanazavany.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT