Politique

Mijaly ny Malagasy Mangina ny depiote


  • Sabotsy 11 Febroary 2017

Mahavelom-panontaniana ny zava-misy ankehitriny hoe mbola misy izany solombavambahoaka izany ve eto amin’ny firenena manoloana izao olana mianjady amin’ny Malagasy izao ?

 Tsy misy hita sy tsy re feo ny ankamaroany fa toa samy mipirina avokoa. Izao fahasahiranana tsy roa aman-tany izao anefa no tokony hilana azy ireo hanaitra sy hanery ny fanjakana foibe handray andraikitra saingy tsy izay no miseho. Manjaka ny delestazy, mbola midangana ny vidim-bary sy ny entana ilaina andavanandro… Efa tena tsy zakan’ny besinimaro intsony ny vidim-piainana, saingy miady irery tsy misy mpiahy ny valalabemandry.  Rehefa any amin’ny fitakiana fiara tsy mataho-dalana sy ny tombontsoa isan-karazany ihany ve izany no afaka manery sy manaitra ny fanjakana mpanatanteraka, fa rehefa famahana ny olana ara-tsosialin’ny vahoaka no tokony horesahina dia minia mikipy. Anarana tsy maty sisa izany hoe solombavambahoaka izany eto amintsika, fa an-kavitsiana no mba tena miady ho an’ny vahoakany, fa ny ankoatr’izay dia tsy misaina afa tsy ny tombontsoany. Ary rehefa tsy misy ny fivoriana eny Tsimbazaza dia tsy hita popoka no sady tsy re feo ny ankamaroan'ireo solombavambahoaka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT