Mialoha ny nandaniana ny tetibolam-panjakana 2016 teny amin’ny antenimieram-pirenena ny faramparan’ny taona 2015 dia adihevitra be ny amin’ny fomba ahitana ny vola ampiasaina
. Sorabola fotsiny mantsy no ao anatin’ny lalàna momba ny tetibola fa ny ankabeazan’ny vola ampiasaina dia mbola hokarohana. Nilaza tamin’izany fotoana ny mpahay toekarena fa raha toa ka tsy misy bolongam-bola matevina azon’i Madagasikara avy any ivelany ao anatin’ny enim-bolana voalohany amin’ity 2016 ity dia izay no vita fa tsy hisy famatsiam-bola ho avy izany eto aloha mandra-pahavitan’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka indray. Hatreto tokoa mantsy dia mbola ny fanampiana maika (aide d’urgence) foana no azo, izany hoe hamonjena fahasahiranana tampoka tahaka ny tondra-drano, tsy fahampian-tsakafo, ady amin’ny areti-mifindra … Mampanantena ny mpamatsy vola, saingy tsy manome ary mbola mametraka fepetra indray aza. Ireo masoivoho vahiny eto amintsika ireo dia mbola samy milaza foana fa mila miezaka mametraka ny fitoniana i Madagasikara, misy dikany goavana izany. Farany teo moa ny Amerikanina dia nilaza fa mirongatra ny kolikoly eto ary manaporofo izany ny tatitra farany navoakan’ny Transparency International momba ny ady amin’ny kolikoly, tena nihemotra i Madagasikara. Tsy manam-bola ny fanjakana, manana maro an’isa mampiahiahy, malaza mpanao afera ny manampahefana maro, mirongatra ny herisetra sy asan-jiolahy. Ka tany mihotakotaka anie izany ny eto e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.