Politique

Mihorohoro ny fitondrana Manamboninahitra 144 nakarina galona


  • Sabotsy 30 Desambra 2017

Nirarakopana ny fanondrotana galona teo anivon’ny mpitandro ny filaminana nandritra ny filankevitry ny minisitra farany ho an’ny taona 2017 ny alakamisy 28 desambra lasa teo.

Raha ny fanisana natao mantsy dia nahatratra 144 ireo fanondrotana natao, ka ny teo anivon’ny polisim-pirenena no nahitana betsaka indrindra, izay nisy 87 be izao : 2 nakarina ho « inspecteurs Généraux de police», 13 nakarina ho « Controleur général » , 20 lasa « commissaire divisionnaire », 29 « commissaire principale », ary 23 ireo vao nahazo ny galonana « commissaire ». Ho an’ny tafika Malagasy kosa dia miisa 41, ka ny 26 tamin’ireo dia kolonely niakatra ho jeneraly avokoa, ary ny 15 kosa « général de Brigade » niakatra ho « général de division ». Miisa 16 kosa ireo manamboninahitra ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, izay nakarina galona, ka ny 5 dia « général de Brigade » nakarina ho « général de division », ary ny 11 kosa kolonely niakatra ho jeneraly. Raha hatambatra izany ireo kolonely vao nakarina ho jeneraly ho an’ny zandarimariam-pirenena sy ny tafika miampy ireo « controleur général » vaovao teo anivon’ny polisim-pirenena, dia mahatratra 50 be izao. Mampametra-panontaniana hatrany ity zava-miseho ity hoe inona loatra no antony? Tsy hisy hanani-bohitra avy any ivelany na koa toe-javatra mitovitovy amin’izany eyo Madagasikara, saingy mahagaga ny mahamaika sy mampikoropaka ny fanjakana hanao io fampiakarana galonana manamboninahitra ambony maro be io. Tsy natao hanenjehana na hanakianana ny mpitandro filaminana sanatria, fa kosa tsikaritra ho tsy arakaraka ny maha maro azy ireo ny firongatry ny asan-dahalo sy ny jiolahy. Isika amin’izao fotoana izao no firenena manana jeneraly be indrindra eto ambonin’ny tany. Mazava sy toa mibaribary, fa tahotry ny fanjakana HVM no mahatonga azy hanambitamby ny mpitandro ny filaminana hiaro azy amin’ny sezany. Antomotra rahateo ny fifidianana, ka azo adika ho pi-maso sy fifehezana ny tafika mba hanao valim-babena amin’ny fanjakana HVM eo anatrehan’ny fotoan-tsarotra holalovany izany, toy ny fibodoana fahefana rehefa tonga tokoa ny tokoa hoe halohan’ny vahoaka amin’ny alalan’ny latsa-bato ity fanjakana efa mankaleo azy ity. Zava-dehibe ny anjara toeran’ny eto amin’ny firenena ary azo lazaina fa any aminy ny fanalahidy, ka rehefa mihetsika na hetsehina amina toe-javatra politika, dia mety hahomby izay atao, toy ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Lojika be raha manambitamby azy mafy ny mpitondra ankehitriny, izay efa tsy mahatoky ny valerany intsony fa miantehitra mafy amin’ny mpitandro ny filaminana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT