Politique

Mihorohoro i Eoropa


  • Alarobia 23 Martsa 2016

Efa-bolana taorian’i Paris dia ny tanànan’i Bruxelles renivohitry ny vondrona eoropeanina indray no nitrangana asa fampihorohoroana omaly talata.


 30 no namoy ny ainy ary maherin’ny 200 no naratra. Fipoahana baomba tao amin’ny seranam-piaramanidina sy ny garana Metro no niseho. Misahotaka ny Belza, nikoropaka ny Frantsay satria efa tena tafiditra ao amin’ny avokavok’i eoropa mihitsy ankehitriny ny mpampihorohoro. Misy ifandraisany tamin’ny fahatongavan’ireo mpitsoa-ponenana avy any Siria sy Irak ary ireo tany Arabo miady ve ity fampihorohoroana any eoropa ity ? Ary mety hiitatra hatraiza ? Ny mpandinika sasany any ivelany any aza dia misy mihevitra fa drafitra natao hamotehana an’i eoropa no manomboka mitranga amin’izao io ary tena ho sarotra ny handaminana azy satria efa tafiditra any ny mpampihorohoro izay sady efa nivonona sy niomana hatry ny ela. Tsy maintsy misy akony amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena koa anefa izy ity satria manomboka mampihena ny fanampiany amin’ny firenen-kafa ry zareo eoropeanina fa mifantoka bebe kokoa amin’ny fandaminana ny ao aminy sy ny hikaroham-bahaolana momba ireto mpitsoa-ponenana maro be mibosesika any eoropa ireto. Mila miomana ny firenena tahaka an’i Madagasikara noho izany amin’ny fikarohana loharanom-bola hafa fa tsy hiandry vasoka fanampiana eo fa ny olona efa manana ny mahaporitra azy koa !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT