Vonona hitondra fampandrosoana sy ainga vao ho an’Ambohidrapeto, distrikan’Antananarivo Atsimondrano Atoa Andriantsilavo Mihary,
kandida tokana natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara eny an-toerana. Asa maro no laharam-pahamehana ho azy sy maika raha vantany vao lany eo ny tenany, raha araka ny tafa fohy nifanaovany tamin’ny mpanao gazety ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ireny ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana mba hahafahan’ny mponina ao Ambohidrapeto miaina am-pilaminana. Vao tapa-bolana lasa mantsy izay no nisy andian-jiolahy nanafika teny amin’iny faritra iny ka lasan’ireo tsy mataho-tody tamin’izany ny volabe. Toraka izany koa ny ady amin’ny haizina. Mbola maro amin’ireo mponina eny an-toerana toy ny ao amin’ny fokontany Antsahamasina mantsy no tsy manana herinaratra hatramin’izao raha mbola hifampitadiavana ihany koa ny rano fisotro madio. Vonona ny hanova ny tantaran’Ambohidrapeto amin’ny alalan’ny famahana ireo santionana olana ireo ny kandida Andriantsilavo Mihary izay marihina fa mahay, mahavita ary mahalala, antony nisafidianan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana azy. Laharana fahefatra moa ity kandida ity ho an’ny kaominina Ambohidrapeto izay hilatsahany raha laharana fahefatra ihany koa ny mpanolotsaina miaraka aminy. Tsiahivina fa efa nanamboatra lalankely, nizara fanampiana ho an’ny zokiolona, nanamboatra lava-drano… ity kandida ity talohan’izao maha kandida azy izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.