Politique

Mihari-Ni-Rencho- Natiora “Taonan’ny tsy fahombiazana iny 2019 iny”


  • Alakamisy 02 Janoary 2020

Hiandrandra fanantenana vaovao indray ny Malagasy ankehitriny ao anatin’izao taona vaovao izao, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho.

 

 

 

Raha ny taona 2019 no jerena dia taonan’ny tsy fahombiazana. Ny tenako izao, hoy izy, no efa nanambara fa tsy misy azo antenaina amin’ity fitondrana ity. Ny mpanao politika dia tokony hahita sy andalina fa vao miainga ny olona iray na toe-javatra dia ampy hamantarana ny mety ho lalany izay. Inona moa, hoy hatrany ny tenany, no nahatonga krizy miverimberina eto Madagasikara? Ny mpitondra nifandimby dia tompon’antoka amin’ny zava-misy. Tsy nisy tena novahana ireo olana goavana. Ohatra amin’izany io olana eny amin’ny oniversite io, hoy hatrany ny Natiora. Ny Jirama dia nataon’ireo mpitondra fakana vola fa tsy nisy tena finiavana hampitombo ivon-toerana famokaran-drano sy herinaratra fa ny fanjakana indray no mividy amin’ny tsy miankina. Nanao fifanarahana miafina nivarotra ny harem-pirenena daholo ny mpitondra mandrak’ankehitriny. Ho an’ny Natiora dia fotoana hieritreretana izao, hoy izy, saingy izao anefa mino fa tsy misy fahavononana ny mpitondra amin’izao izay efa voafatotry ny fikambanana iraisampirenena samihafa. Miantso ny mpanao politika rehetra sy ireo fikambanana isan-karazany moa ity antoko ity mba hanatanteraka fikaonan-doha maika na handritry ny 4 andro aza hikaton-trano hikaroham-bahaolana manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT