Politique

Miha mitoka-monina i Mémé Mitombo isa ireo nisintaka taminy


  • Alarobia 21 Septambra 2011

Miha mitoka-monina andro aman’alina ankehihiny i Yves Aimé Rakotoarison na i Mémé.

 Nanamafy ny fisintahany taminy mantsy ireo solombavambahoaka sy mpitari-tolona politika ahitana an-dRaharimampionona (Ikalamavony), Ramarozatovo Flore (Soavinandriana), Razafindrakoto Harifanja (Beroroha), Randriamandimbisoa Félix (Antananarivo faha-4), Ranaivoson Andrianavalona Pierrot (Fenoarivobe), Rasoanaivo Elie Odon (Ambatondrazaka), Rasolonomenjanahary Fidélis (Ambohimahasoa), Rakotomazava Joseph (Antananarivo faha-2), Andrianjafimahatratra Solofo (Antananarivo faha-6), Rakotoarisoa Bruno (Fianarantsoa I), Randriamanantena Rodolphe (Andramasina) sy Richard Daniel, lehiben’ny faritr’Ihorombe teo aloha. Ankoatra ireo dia mpitolona tao amin’ny Magro niara-dia tamin’i Mémé no efa niverin-dalana. Nanao fanambarana an-tsoratra mihitsy izy ireo ho fanamafisana ny fanambarana nataony tamin’ny 10 septambra 2011. Tao anatin’izany fanambarana izany koa no nankasitrahan’izy ireo ny fahavitan’ny sonian’ilay sori-dalana sy ny asa vitan’ny SADC sy ny Troika, ka ampirisihin’ireto nisintaka tamin’i Mémé ireto ny mpiantsehatra politika rehetra mba hampihatra ny foto-pisainana Sandton. Naneho ny hafaliany koa izy ireo ny amin’ny fahafahan’ny filoha Marc Ravalomanana mody an-tanindrazana tsy misy fepetra.

Vao roa herinandro teo izao i Yves Aimé Rakotoarison no nampahafantatra ny fisian’ny vondron’ireo nisintaka tamin’ny Ankolafy Ravalomanana na ny GMMR, tarihiny. Tamin’izay no nilazany fa any aminy ny maro an’isa tamin’ireo mpiara-dia tamin’ny filoha Marc Ravalomanana. Taorian’io fisehoana io anefa dia manao ranolava ny fisintahan’ireo solombavambahoaka sy mpitari-tolona politika niara-dia taminy. Raha atao ny kajy tsotsotra dia depiote roa sisa no miara-dia amin’i Mémé amin’izao fotoana izao. Ilay GMMR tarihiny rahateo aza dia anjorom-bala ary ataon’ny olona haingon-tsehatra sisa ao anatin’ireny fifampidinihan’ny samy Malagasy ho fikaroham-bahaolana hamahana ny krizy. Tsy tao anaty tabilao raha nisy ny fifanatonan’ny V6, na ireo mpanao sonia ny Dina Repoblikanina, sy ny Ankolafy Telo teny amin’ny Villa Elisabeth Ivandry ary nitohy teny amin’ny tranon’ny Antenimierandoholona Analamahitsy. Sonia fanohanana ny sori-dalana ihany koa no nataon’ny vondrona tarihiny teny Ivato farany teo, fa tsy iray lasitra amin’ireo vondrona 11 ankatoavin’ny SADC sy nasaina tany Gaborone, hifampidinika.

 

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT