Eto Madagasikara hatry ny omaly ny Sekretera jeneralin’ny Frankôfônia, Rtoa Michaëlle Jean, ary tsy hiala eto raha tsy amin’ny 27 novambra 2016 hifaranan’ny fihaonana an-tampony faha-16 ny Frankôfônia.
Ity eto Madagasikara ity no Frankôfônia voalohany hatrehin-dRtoa Michaëlle Jean, hatramin’ny nandraisany ny toeran’ny Sekretera jeneralin’ity vondrona ity. Fanamby sy sedra lehibe ho azy ny fahatanterahan’izany. Matetika tonga teto Madagasikara izy nanara-maso ny fivoaran’ny fanomanantsika ny fampiantranoana io fihaonana an-tampony io. Izy izay azo lazaina fa niaro sy niady mafy ny hahatontosan’ity Frankôfônia 2016 ity eto Madagasikara manoloana ireo resaka sy feo niely fa mety hafindra any an-toeran-kafa toy ny efa nitranga tamin’ny 2010 tokony efa nandraisan’i Madagasikara an’io fihaonana an-tampony io raha tsy nisy ny fanonganam-panjakana. Hitarika ny asam-baomiera faha-99 ny Filankevitra maharitry ny Frankôfônia 2016 Rtoa Michaëlle Jean ny 22 novambra. Handray anjara amin’ny kaonferansa iraisan’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny eo anivon’ny Frankôfônia indray izy ny 23 sy 2 novambra, mialoha ny fivorian’ireo filoham-panjakana ny 26 sy 27 novambra. Be fanantenana amin’ny ho fahombiazan’ity Frankôfônia 2016 ity Rtoa Michaëlle Jean ary miandrandra fanapahan-kevitra hitondra fampandrosoana ity fiombonambe ity, anisan’izany ny handraisana mpikambana vaovao ary koa ny hanapahana ny firenena hampiantrano ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia amin’ny taona 2018.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.