Nitsidika ny Akamasoa naorin’ny Mompera Pedro omaly Rtoa Michaelle Jean sekretera jeneralin’ny fikambanamben’ny Frankôfônia (OIF).
Nanohana azy ny fandraisan’ireo olona maro be ka tsy nihambahamba izy niteny hoe : « reharehako ianareo ». Hatramin’ny niforonany, ny toby Akamasoa dia miezaka mamerina amin’ny maha izy azy ireo tsy manan-kialofana teny Andralanitra sy Antananarivo, amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo trano, asa ary fianarana. Olona efa ho 500 000 no nampian’ny Akamasoa, ary trano 3 000 no efa nahorina. « Miaraha mitolona handresena ny fahantrana », hoy ramatoa Michaëlle Jean. Misy foana ny vahaolana ary mino aho fa azo tanterahina ny zava-drehetra, hoy izy. Aankoatra izay dia nitsidika ny foiben’ny ATD Quart Monde eny Ambohibao hihaona amin’ireo olona sahirana ao amin’ny fokontan’Antohomadinika sy Andramiarana ny Sekretera Jeneralin’ny Frankofonia, Michaëlle Jean. Nitondra teny fankaherezana mifono fanantenana ho an’ireo olona sahirana ireo izy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.