Mihetsiketsika tampoka ny fitondram-panjakana tato ho ato amin’ny fanarenana sy fanamboarana fotodrafitrasa eto an-drenivohitra toy ny farihin`Anosy,
ny lapan`ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina. “Miasa ho anao ny fanjakana”, hoy ny soratra mipetaka amin’ny takelaby apetraka eny akaikin’ireny ``chantiers`` ireny amin`ny alalan`ny minisitera isanisany. Hafatra izay milaza fa tena mitsimbina ny vahoaka ny fitondram-panjakana. Tsotra ny antony: efa manatomotra ny fifidianana ka afantoka amin`izany ny asa rehetra eto an-drenivohitra ka manao izay fomba rehetra hanatsarana ny tanàna ny fitondram-panjakana. Tsy manana paikady mazava amin’ny fanatsarana ny tanàna ny fitondrana ary voaporofo amin`ny fanamboaran-dalana teto an-drenivohitra. Mody nanamboatra sy nanentsina ny sasantsasany tamin'ireo lavaka ny fanjakana ary hita tokoa fa tefy maika sy vonjy tavan`andro fotsiny izany fanamboarana izany sady tsy ampy herinandro dia potika sy rava ary sarotra ampiasaina indray. Fomba fanaovana politika nifandovana teto amin`ity Madagasikara ity ny fisehosehoana. Efa ho avy amin`izay ny fitokanana etsy sy eroa na inona na inona tokanana amin`io fotoana io ka dia hisisika hijoro ho hitam-bahoaka rehefa fotoam-pitokanana toy ireny ny mpitondra. Hita taratra fa izay asa atao rehetra eto an-drenivohitra sy ny manodidina dia toa mifono paik`ady politika entin`ny mpitondra handaniana izay ho kandidan`ny antoko HVM amin`ny fifidianana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.