Dia voaporofo tany Miandrivazo ny alarobia teo fa tsy probleman’ity fanjakana HVM ity izany aretina ambalavelona mampijaly ny tanora mpianatra izany.
Fanjakana tsy manana vahaolana rahateo. Nitarika lanonam-panjakana tao an-drenivohitry Betsiriry ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina tamin’io andro io, nitokana biraon’ny fananantany sy trano fandidiana. Tao an-toerana ihany izy fa tsy vitany ny nitsidika na dia iray segaondra monja aza ireo sekoly, indrindra ny lycée Saint-Pierre tantanin-dry masera, mba nankahery ireo mpianatra nitondra faisana tamin’io aretina ambalavelona io, izay nitarika tamin’ny fampidirana am-ponja ny Kohen Rivolala ary nahoraka tamin’ny fampahalalam-baovao maro. Toa nanao izay hialana haingana tao Miandrivazo aza no nahamaika ny filoha, satria zara raha nijanona tao antsasakadiny izy dia nandray helikôptera lasa indray, hoy ny loharanom-baovao tany an-toerana. Ny fandrarana ankizy miisa 12, 10 vavy sy 2 lahy tsy hiditra an-tsekoly noho izy ireo voalaza fa mampihetsika aretina isaky ny tonga any an-dakilasy aloha izao no vahaolana hitan’ny mpitantana ny sekolin-dry masera mba nampitony ity ambalavelona ity tamin’ny mpianatr’izy ireo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.