Politique

Miandrivazo Miverina amin’ny heriny ny TIM


  • Alakamisy 02 Febroary 2012

Feno hipoka ny trano fandraisam-bahiny “Akory Aby” ao Miandrivazo ny sabotsy teo nampiantrano ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona nataon’ny DisTIM Miandrivazo.

 Tsy mbola nisy toy izany, araka ny akom-baovao avy any an-toerana, ary manaporofo fa miverina amin’ny heriny ny Tiako i Madagasikara amin’iny faritr’i Betsiriry iny. Nitarika ny lanonana ny Dr Raymond, Mpanolotsaim-paritra Menabe sy Riri Ernest, filoha lefitry ny mpanolotsaina ao amin’ny Kaominina Miandrizavo. Ireo nandaha-teny dia samy nanambara fa fanjakana jadona no misy eto ary dia vonona hanolotra olona amin’ny fifidianana rehetra hatao ny TIM Miandrivazo. Marihina fa anisan’ny nandefa olona nitsena an’i Dada teny Ivato tamin’ny 21 janoary i Miandrivazo. Nanamafy izy ireo nandritra ity fihaonana ity fa vonona hatrany ho tonga maro amin’ny fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fotoana hiverenany an-tanindrazana sy handraisany an-tanana ny fanarenana izao fahavoazana tsy roa aman-tany manjo ny firenena izao. Omby iray no natao nofonkena mitam-pihavanana nandritra ity fihaonana tamin’ny sabotsy ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT