Politique

Mialy Rajoelina Raikitra ny ketrika Ethanol


  • Zoma 08 Martsa 2019

Mirefy 1946m2 ny velaran’ny orinasa famokarana angovo Ethanol hajoro any Ambilobe. Napetrak’i Mialy Rajoelina Vadin’ny Filoha ankehitriny, filohan’ny Fikambanana Fitia sady filohan’ny PAESFA (Pan African Ethanol and Stoves).

 

 

 Ao amin’ny fokontany Andavakatsantsa no misy azy io. Tanjona ny hamokatra Ethanol hatrany amin’ny 4000 litatra isan’andro, ka fary 5 taonina isan’andro no ilaina amin’io ozinina io, ka tany 500 ha no nolazaina fa hovolena fary. Hanomezana asa ny tanora satria 100 taonina isaky ny hekitara no ilaina, raha toa ka 70 taonina isaky ny hekitara no misy ao Ambilobe, hoy i Mialy Rajoelina. Nambarany fa foto-kevitra novoiziny ny fiarovana ny vehivavy sy ny ankizy, ny fiarovana ny ny tontolo iainana, ny fampiroboroboana ny angovo maintso amin’ny alalan’ny Ethanol ho solon’ny arina azo avy amin’ny hazo. Andraikitra mankadiry tokoa no iantsorohaka kanefa mino aho fa maro no afaka hifanome tànana. Maro loatra ny vehivavy sy ny ankizy no maty noho ny aretin’ny taovam-pisefoana ateraky ny arina, hoy izy. Tanjon’ny PAESFA rahateo ny hanamboatra fantana sy Ethanol hampiasaina. Hitondra ny marika “Malagasy Ethanol” ny vokatra haparitaka manerana an’I Madagasikara. Hiadiana ny fanapahana ny ala sy doro tanety. Hiteraka asa sy hanome vahana ny fandraharahan’ny vehivavy io, hoy i Mialy Rajoelina. Notokanana ihany koa moa ny tranombarotra Fitia hamarotana ny fatana sy ny angovo, ary hisy ny toeram-pitsinjarana hahafahana manjifa izany. Tsara ny mampahatsiahy fa tao Ambilobe no nanombohan-dRajoelina ny fitetezam-paritra niomanana tamin’ny fifidianana filoha ny 8 martsa 2018. Tsy tongatonga ho azy io ny nisafidianana an’Ambilobe, izay ny nambara dia ny hoe tena mety amin’ny fary toe-tany. Resaka fiarovana amin’ny fanimbana ny ala no resahina, saingy tsy any no tena misy ny mpanimba ala ary tsy dia be olona. Raha ny resaka Ethanol dia ny fary sy ny mangahazo no hahafaha-mamokatra izany, izany hoe azo atao amina toeran-kafa toy ny any Atsimo. Ahazoana famatsiam-bola be ny fivoizana ny fampiasana ny Ethanol ary mampidi-bola, fa etsy an-daniny, dia misy volamena ny any Ambilobe. Efa naneho hevitra somary nivoy ny momba izany i Andry Rajoelina fa misy 6 ny mpitrandraka volamena matanjaka maneran-tany, ka tokony hatao manara-penitra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT