Tsy misy ny kisendrasendra amin’ny politika fa tsy maintsy miasa ny paikady isan-karazany. Hita amin’ny zavatra ataony sy ny fihetsiny fa manomana ny fiverenany eo amin’ny tontolo politika i Andry Rajoelina, efa mazava ny amin’iny.
Mety tsy mbola mahataitra ny rehetra kanefa azo heverina fa tafiditra ao anatin’ny paikady ampiasainy ny fisehoan-dRamatoa Mialy Rajoelina tsikelikely ary natomboka tany Afrika izany ka nahalany azy ho filohan’ny « Pan African Ethanol Stoves and Fuel Alliance » (PAESFA) izay fikambanana iray mivoy ny fampiasana ny Ethanol na solika azo avy amin’ny fary asolo tsikelikely ny fampiasana ny harina. Nipetrapetraka i Mialy Rajoelina nandritra ny naha filohan’ny tetezamita ny vadiny, mipoitra tsindraindray manao asa soa kely fotsiny tamin’ny alalan’ny fikambanana FITIA. Ankehitriny, hijoro eo anilan’ny andefimandriny izy ka hikaroka ny fomba rehetra hampisongadinana azy. Raha tsorina ny resaka, miditra eo amin’ny sehatry ny politika amin’izay izy ary efa tena niomana tamin’izany. Nahazo ny anaram-bositra « sans qualité » Rajoelina sy ny ekipany tao amin’ny tetezamita tamin’ny fotoan’androny, izay tena nanaratsy endrika azy ireo teo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Miezaka ny mamafa an’io izy ankehitriny ka izay no mahatonga azy nijanona maharitra tany ivelany nikaroka namana sy mpiara-miombon’antoka satria efa mazava fa tsy maintsy mila mpanambola vahiny ny fanarenana an’i Madagasikara. Niofana teny amin’ny INSCAE avy eo mbola nandalim-pahaizana tany Paris Frantsa i Mialy Rajoelina ary mahafantatra tsara ny tontolon’ny toekarena sy ny varotra ary ny serasera. Nanampy betsaka an’i Andry Rajoelina tamin’ny fandraharahana nataony izy. Misy aza ny milaza fa i Mialy Razakandisa (anarany fony izy mpitovo) no tena niketrika fa mpanatanteraka fotsiny i Andry Rajoelina raha fandraharahana no resahana. Hita soritra ankehitriny fa hamondrona ny heriny izy mivady amin’ny fikatsahana ny fiverenana eo amin’ny fitondrana ka hisesisesy ato ho ato ny fihetsiketsehana sy fandresen-dahatra maro samihafa. Fa ampy hamafana ny fanapotehana firenena nataon’ny fitondrana tetezamita ary haharesy lahatra ny Malagasy ve izany ? Mampanahy ny maro mantsy fa sao fampiesonana fotsiny fa fanova-maso indray miserana tahaka ny natao tamin’ny andron’ny tsena mora sy vary mora indray ity fihetsiketsehan’izy mivady ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.