Politique

Mialy Rajoelina Fa aiza marina ?


  • Talata 05 Martsa 2019

Natao resaka foana ny vadin’ny filoha teo aloha Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina hatramin’izay ka isan’ny asesika hatramin’izao ny hoe: nankaiza i Voahangy? Vao tsy ela no natao lohateny goavana tamina fampahalalam-baovao aza ny karazana kisarisary toa manompa sy maneso ny filoha teo aloha.

 

 Dia andeha mba hanontaniana indray ny an’ny Filoha ankehitriny hoe: nankaiza i Mialy e? Tsy hita sy tsy re feo tao anatin’ny fotoana maharitra, ary misy mihitsy aza no milaza fa tamin’ny fianianan’ny Filoha teny Mahamasina ny 19 janoary no nahitana azy farany. Tsy fantatra mazava izany ny tenany amin’izao fotoana izao na eto an-tanindrazana na any ampitan-dranomasina. Ny nambaran’ny fitondram-panjakana dia ny tsy fananany sata manokana hanao asam-panjakana ka hananganana kabinetra sy sampan-draharaha manokana hamoahana volam-panjakana, na malalaka aza izy amin’ny asa sosialy izay fanaon’ny vadina filoham-panjakana. Raha ny fanadihadiana natao dia, mianatra any Frantsa ny zanaky ny Filoha ankehitriny, ka tsy azo havela irery any izany ny ankizy ka mipetraka ihany koa ve izany Rtoa Mialy Rajoelina fa ingahy Filoha kosa eto an-tanindrazana, miatrika samirery ny asany ? Ny vadin’ny filoham-pirenena anefa no mpanohana sy mpanolontsaina azy voalohany indrindra raha ny tena marina; tsy voatery ho eo anilan’ny filoha ny vadiny amin’ny zava-drehetra ataony kanefa misy hetsika heverina fa tokony ho teo ihany ramatoa, tahaka ny dian’ny filoha tany Ambilobe nitsidika ireo mararin’ny kitrotro ohatra, na koa nandritra ilay fanompoam-pivavahana teny Anatirova ny 27 janoary ; na koa nandritra nyfanamarihana ny faha 10 taonan’ny 7 febroary teny Ambohitsorohitra.Fa nahoana no tsy hita tabilao mihitsy Rtoa Mialy Rajoelina ? Ekena mihitsy hoe manana ny fiainan’izy ireo manokana ny filoham-pirenena sy ramatoa vadiny ; saingy efa lasa singa iray ao anatin’ny raharaham-pirenena ihany koa ny fiainan’izy ireo ka arahan’ny mpanara-baovao maso akaiky.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT