“Tokony hisy masontsivana ny firotsahana ho solombavambahoaka na eo amin`ny fahaizana na eo amin`ny etika sy ny fanajana fitsipika” hoy Mialy Rabemanantsoa, mpahay lalàna.
Mila fanavaozana ifotony indrindra ny resaka lalàna mifehy ny fifidianana solombavambahoaka, hoy ihany izy, sady mila fifehezana lehibe satria izay tia hirotsaka dia afaka mirotsaka avokoa. Resaka lalàna no tena laharampahamena satria fifidianana lalàna sy fanolorana lalàna no tena misy ao anatin`izany Antenimieram-pirenena izany. Tsy maintsy manana izay traikefa izay vao tokony mieritreritra hanao asan` ny solombavambahoaka, hoy hatrany i Mialy Rabemanantsoa. Nohamafisiny ihany koa fa tsy tokony hisy ny kolikoly raha eto amintsika saingy ny dimy taona lasa teo dia niaraha nahita ny resaka 50 tapitrisa ariary. Misy amin` ireo kandidà tratra amin`izany zavatra izany nefa mbola afaka milatsaka foana. Tsy nisy fandraisana andraikitra tamin` izany ary tsy misy lalàna mifehy mihitsy hoe izay tratra nanao kolikoly dia tsy afaka mirotsaka intsony. Raha ny lojika anefa dia tokony niditra am-ponja amin`ny zavatra nataony ireo kandidà ireo nefa hatramin`izao tsy matimanota ny eto amintsika amin` ny resaka kolikoly. Hatreto aloha dia ny lalàna no hamaritana izay afa-mirotsa-kofidiana. Ankoatr` izay, nitondra ny heviny mahakasika ny olan` ny distrika Atsimondrano, I Mialy Rabemanantsoa, izay kandidà ho depiote, ka nilazany fa tokony ho jerena manokana resaka tsy fandriampahalemana, rano fisotro madio, indrindra ireo lalana mampifandray ireo faritra ireo satria amin`iny faritra iny no misy ireo tantsaha mamokatra sy mpiompy izay mamatsy an` Antananarivo Renivohitra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.