Politique

Mialy Rabemanantsoa “Afaka miditra an-tsehatra amin` ny raharaham-pirenena ny rehetra”


  • Alatsinainy 25 Martsa 2019

Resin` ny tsy miankina ny antoko politika hirotsaka solombavambahoaka amin`ny fifidianana ho avy izao.

 

 

 

Sesilany ny tsikera mahazo ireo kandidà tsy miankina indrindra avy amin` ireo mpanao politika. Afaka mivadika miankavia miankavanana ireo  arakaraka izay malety ho azony ary izany dia tsy hamaritra mihitsy ny fifandanjan-kery eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, hoy ny antoko politika. Amin`ny ankapobeany, tsy fantatr` olona loatra izay mirotsaka amin` ny anaran` ny tenany na fantatra ihany fa tsy manana antoko na vondrona antoko manolotra matoa mandeha irery. Manana ny heviny kosa anefa ireo kandidà tsy miankina mahakasika izany. Isan` ireo nirotsaka amin`ny tenany manokana I Mialy Rabemanantsoa, mpahay lalàna. Nilaza izy fa matoa ny olona milatsaka amin`ny tenany manokana, dia misy ny olona leo mahita ny fomba amam-panao ireo antoko politika eto amin`ny tany sy ny firenena. Diso manjakanjaka loatra amin`ny raharaham-pirenena, hoy izy. Maninona moa no tsy maintsy ny antoko politika foana no tsy maintsy hitantana eto? Ho an`ny olon-tsotra, afaka miditra an-tsehatra amin`ny raharaham-pirenena avokoa ny rehetra. Maro no manahy ny hisian` ny kolikoly toy ny fividianana olom-boafidy amin` izay fanoloarana na fiantohana kandidà kanefa izany dia azo lavina hatrany raha toa ka mahitsy ny fomba fijery ka ny fandrosoana no tena imasoana, hoy hatrany ny fanazavana. Ny antoko politka ihany koa dia misy no tsy manana etika politika ary amin` ny ankamaroan` ny mpanao politika fa tsy mpanao politika akory aza: sakaizan` ny mpandresy, mpibadibadika palitao, mandeha arakaraka ny tombontsoa manokana, tsy mena mivadika. Antoko politika izao aza, tsy ilaozan` izay miandrandra tambiny amin` ny fanohanana kandidà. Ny politikan` ny politisianina no mampahantra ny Malagasy hoy ihany i Mialy Rabemanantsoa, mitondra nomerao 4 ao anatin'ny biletà tokana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT