Mankahery ny vahoaka Malagasy isika manoloana ireo zava-miseho eto amin’ny firenena, hoy ny sekretera jeneralin’ny antokom-bahoaka Malagasy na Aba, Dany Rakotoson.
Tokony handray andraikitrah aingana ny fitondram-panjakana satria na manana tetikasa maro aza isika dia tsy afaka ny handroso raha tsy milamina ny zava-misy ankehitriny. Mialoha ny Tana-masoandro sy ny tariny dia jereo aloha ny sosialim-bahoaka, hoy hatrany ny fanazavany. Voalamina tsara ny olan’ny anjerimanontolo, ny olan’ny solika, tsy hisy intsony ny fahatapahan-jiro, ny olan’ny rano, ny ankapoben’ny vahoaka, hoy izy, vao tokony hiroso amin’ireo tetikasa vaovao. Mila tadiavina ny politika tsara mikasika ny sosialim-bahoaka sy ny fandriampahalemana satria ny fikorontanan’ny saim-bahoaka dia anisan’ny hisatra amin’ny fampandrosoana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.