Politique

Miaka-pofona ny Monde Justice “Toherinay ny tsikombakomba amin’ny Frantsay”


  • Alakamisy 20 Febroary 2020

Eto Madagasikara ny minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay Jean Yves le Drian anio sy rahampitso.

 

 

 

Mety horesahana ny “îles Eparses” ka ny anay no alefanay aloha hoe tsy hisy Malagasy hanaiky fiaraha-mitantana izany eto, hoy ny Monde Justice tarihin-dry James Ratsima sy Arlette Ramaroson. Nisy ny fanapahan-kevitra tamin’ny taona 1980 amin’ny fanamafisana sy ny tokony hanajana toy ny anakandriamaso ny tsy fanekena ny fandrombinana amin’ny tany voazanaka amin’ny fotoana hahazoana ny fahaleovantena niarahan’izao tontolo izao nanaiky, dia ny “decolonisation”. Ny filazan’i Emmanuel Macron fa hamadika ny Nosy Glorieuses ho “réserve naturelle”, dia resaka fanakonan-javatra, fa efa voatenin’izao tontolo izao i Lafrantsa, izay milaza hiaro ny zavaboary kanefa manao fifanarahana momba ny fitrandrahana solika, hoy i Arlette Ramaroson. Tamin’ny fivoriana teny amin’ny CCI Ivato nandritra ny telo andro, dia nazava ny resaka fa antsika madiodio ireo nosy, ka tsy mila fiaraha-mitantana izany. Tapaka tao anatin’ny fehin-kevitra fa hisy ny komitin’ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny zavatra tapaka. Avoahy amin’izay ilay tatitra, hoy ny hafatra miantefa amin’ny filoha Rajoelina. Sokajiana ho famadihan-tanindrazana ny fiaraha-mitantana (Co-géstion) amin’ny Frantsay, raha ny nambaran’izy ireo. Sahirana ny vahoaka amin’izao, saingy hihetsika amin’io raha izany no tadiavin’ny fanjakana, ary hanetsika an’izany ny Justice Monde, hoy izy ireo. Mahakasika an’Ambohitrimanjaka manokana, misy kamio be dia be efa manodidina ao efa azonay sary, izay midika fa efa miomana izy hanao amboletra. Amin’ny lafiny iray anefa mody mamoaka fa tsy mbola nisy fanadihadiana ara-tontolo iainana ka tsy takonana aloha. Raha ny mponina eny, dia 100% tsy manaiky, hoy i James Ratsima. Nambaran-dRtoa Arlette Ramaroson kosa fa efa nametraka fitoriana any amin’ny “Tribunal administratif” hanafoanana an’io izy ireo, ka tsy misy fanotofana azo atao, raha tsy mivaly ny fitoriana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT