Politique

MERI Hitory ny minisitra teo aloha ireo mpiasa voaroaka


  • Alarobia 29 Febroary 2012

Ministera natsangana mba hanomezana toerana an-dRakotoarisoa Yves Aimé ny Meri na ny Ministera misahana ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana izay mbola notazonina ao anatin’izao governemanta Beriziky izao.

 Nisy, noho izany, ny fandraisana mpiasa vaovao miisa 750 nataon’ny minisitra tamin’izany fotoana. Tsy tafiditra tao anatin’ny volavolan-dalàna momba ny fandaniam-bolam-panjakana tamin’ny taona 2011 anefa ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasa ireo ka voatery tsy maintsy nahena ny isany. 400 no noraisina tamin’ny andiany voalohany, 150 tamin’ny faharoa ary tavela hatramin’izao ny ambiny. Ireo voaray tamin’ny andiany voalohany ihany anefa no nandray karama, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanan’ny mpiasa. Isaky ny fivorian’ny mpiasa tamin’ny minisitra Rakotoarisoa Yves Aimé isaky ny zoma anefa dia tsy nitsahatra ny fampanantenana nataony. Nisy fotoana mihitsy aza nilazan’ity farany fa efa ao ny vola ka nasaina nanomana ny antontantaratasy ny mpiasa. Niova ny minisitra saingy tsy nisy mangirana ho an’ireto mpiasa ireto izay niasa maina nandritra ny 8 volana. Efa nitondra ny raharaha tamin’ny minisitry ny mponina, itompkovavy Ramaroson Nadine izy ireo saingy nodimandry ity farany.

Efa nandefasana fitarainana koa ny fiadidiana sy ny praiminisitra sy ny fiadidiana ny Fat fa tsy nahazoam-baliny. Milaza anefa ireto mpiasa ireto fa efa misy ampahan-karama efa-bolana efa nomen’ny ministeran’ny vola saingy tsy tonga teny am-pelatanan’izy ireo izany. “Ny minisitra Manantsoa Victor mihitsy no niteny an’io ka ao anatin’ny fanaovana fanamarihana momba izany eny amin’ny ministeran’ny vola izahay izao”, hoy Ravanomanana Eric, filohan’ny fikambanan’ny mpiasa tsy nandray karama tao amin’ny Meri. Miandry izay tohin’ny fitarainana nataony izy ireo ka miankina amin’izany ny mety hitoriana na tsia an’i Yves Aimé Rakotoarisoa. Milaza ho efa nampitandrina ity farany tsy handray mpiasa mihoapampana koa ny tale jeneraliny teo anivon’io ministera io. Nambarako taminy fa mpiasa tsy raikitra 200 ihany no zakan’ny fanjakana, hoy Rabemanantsoa Charles saingy tsy nanaiky izany ingahy minisitra.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT