Politique

Mektoub el Camille “Andry Rajoelina no olan’ny firenena”


  • Alarobia 18 Jolay 2012

Nohamafisin’i Mektoub el Camille tao an-kianjan’i Behoririka omaly fa i Andry Rajoelina no olan’ny firenena.

 Mahatsapa ary resy lahatra ny rehetra ankehitriny, na dia efa nitabataba an’izany foana asa izahay hatramin’izay, hoy i Mektoub. Nohazavaina fa tsy isika (ankolafy telo) no nivadika tamin’ny soniantsika fa i Andry Rajoelina. Tsy kanosa koa isika fa manaran-dalàna fa rehefa tsy misy intsony kosa ny vahaolana dia ho hita eo ny tokony hatao, hoy izy nanohy ny fanazavana. Fa i Zafilahy Stanislas no nanambara fa mahalala tsara ny zavatra misy sy ny paipaika politika eto ny iraisam-pirenena. Notsiahiviny fa vao lany fotsiny hitantana ny Vaomiera Afrikanina Rtoa Dilamini Zuma dia namoaka fanambarana ny birao fifandraisan’ny SADC manamafy fa tsy maintsy hatao ny fihaonan’ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. “Tsy izay mpanao politika vitsy an’isa akory no hanao kajikajy ny safidim-bahoaka sy hamaritra ny fiainam-pirenena eto”, hoy i Zafilahy.

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT