Politique

Me Willy Razafinjatovo Ny mpitondra no mampitarazoka ny raharaha


  • Zoma 08 Martsa 2013

“Mila finiavana politika ny fanatanterahana fifidianana. Fifidianana izay tokony hoeken’ny rehetra na ny Malagasy na ny fianakaviambe iraisam-pirenena”, hoy ny Me Willy Razafinjatovo na Olala.

 Ny zava-misy anefa, hoy izy dia tarazohana ny raharaha satria mbola te hijanona eo ireo milaza azy ho mpitondra amin’izao. Raha nanontaniana indray ny tenany momba ilay “ni…ni” dia nambaran’ity mpahay lalàna fa tokony hilatsaka daholo ny rehetra hisafidianan’ny Malagasy izay tiany hitondra ny firenena. Fifaninanana masina ny fifidianana, hoy ny Me Olala ka tokony halalaka sy eken’ny rehetra. Ankoatra izay dia nanome hafatra ny tenany : “aza mivavaka intsony fa tratran’Andriamanitra amin’ny fihatsarambelatsihy, aza mandainga”, hoy izy. Momba ny fodian-dRtoa Lalao Ravalomanana dia nambarany fa “ampidiro ilay olona. Tsy mpanao politika izy”, hoy ihany Me Olala izay nanamarika fa iny vehivavy iny aza atahoranareo mainka fa ilay lehilahy vadiny.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT