Politique

Me Rasamimaka Mahefalahy Vonona hihavana ve isika ?


  • Alakamisy 01 Desambra 2011

Miditra amin´ny tondrozotra ny famahana ny krizy politika Malagasy sa mbola mihazohazo tsy mandroso tsy mihemotra ?

 Samy manana ny heviny ny olona sy ny mpanara-baovao politika Malagasy mikasika izay. Ho an´ny Me Rasamimaka Mahefalahy, mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ao Toamasina dia nambarany fa “miroso ao anatin´ny tondrozotra isika izao, na mbola sadasada manan-tsoratra aza ny zava-misy ankehitriny”. Nomarihany ihany koa fa mbola hita ny fifandrangitana sy fandrabirabiana ataon´ny ekipan´ny ankolafy sasany, milaza ny tsy miady nefa kibay an-kelika ihany. Vonona hihavana ve isika, vonona ny hifamela ? Misy mantsy ny sakana tsy hidirana anaty tranobe entina hamahana haingana ny krizy Malagasy, ka hirosoana amin´ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken´ny rehetra.

Raha ny foto-pisainana Malagasy anefa araka ny nambaran´ny Me Rasamimaka azy dia tsy ampy fahendrena isika ankehitriny, ka lasa manao mpitari-bato vilam-bava, ny fampitahorana sy fandrangarangana fisamborana ary ny fampiasana hery mandeha ihany ambadika. Nomarihan´ny Me Rasamimaka ihany koa fa anisan’ny fomba iray azo atao koa ny tranobe izay manan-kasina amin´ny Malagasy. Ny Ampanjaka sy ny Loholona ary ny Tangalamena no mpiambina azy, ary tsy misy mahazo mivoaka ao raha tsy milamina ny zotram-piarahamonina dinihina. Raha ny fiverenan´Atoa Ravalomanana indray, dia hentitra ny Me Rasamimaka nilaza fa tsy maintsy miverina eto izy, satria tsy misy fihavanana ho vanona eto, raha ilay heverin’ny FAT ho fahavalo sy nanana ny simba sy nosimbaina ary nangalarana fananana no hailika amin´ny fampihavanana sy fifamelana hatao. Efa misy ny tetika manokana amin´ny fampodiana izany eto an-tanindrazana, ka asakasak´izay handatsaka ny ran´ny Malagasy indray hihantsy sy hampiady ny samy Malagasy. Efa niezaka ny tsy niady sy tsy namaly ireo fihantsiana sy fandranitana natao rehetra ny ankolafy Ravalomanana, ka mbola hijanonanay, na betsaka aza ny tsy faly mahita “anay” tsy miady, hoy hatrany ny Me Rasamimaka Mahefalahy.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT