Politique

Me Rasamimaka Mahefalahy Tena nanapotika firenena ny FAT


  • Talata 07 Aogositra 2012

Nampita vaovao tamin’ireo mpiara-dia sy ny vahoaka tao Toamasina mikasika ny raharaha politika miha henjana tato ho ato, ny ankolafy Ravalomanana ny sabotsy teo nandritra ny hetsika fanaony isan-kerinandro eo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V.

 “Tahotra ranofotsiny sy valifaty tsy misy fangarony, no ao an-tsain’ny FAT ka mahatonga azy manaotao foana tahaka izao ireny”, hoy ireo CT mpiara-dia amin’ny ankolafy Ravalomanana Toamasina. Ho an’ny Me Rasamimaka Mahefalahy, mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana ao Toamasina kosa, dia nilaza fa “sinema sy ny tsy fanajana lalàna ataon’ny FAT no tena nanapotika ny firenena”. Ankoatra izay, dia nambaran’izy ireo fa miandry ampitoniana ny valin’ny dinika faharoa eo amin’Atoa Ravalomanana sy Atoa Rajoelina ny ankolafy Ravalomanana, ary miandrandra kosa famahana ny olana haingana amin’ny fanaovana sonia ny fanapahana horaisina rehetra any Seychelles ity izao.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT