Politique

Me Rasamimaka Mahefalahy “Mbola mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana Toamasina”


  • Alarobia 11 Jona 2014

Mahefalahy. Nomarihiny fa betsaka ny manana hevitra sy te-hitondra ny anjara birikiny amin’ny fitantanana ny tanŕna amin’ny fifidianana izay ho Ben’ny tanŕnan’i Toamasina, nefa tsy maintsy mandalo ny safidin’ny mpikambana izany ary mandalo ihany koa ny fankatoavan’ny birao foibe izay tompon’ny teny farany amin’ny fanapahan-kevitra.

 Tsy tazana an-kianja tao amin’ny Magro Toamasina amin’ny hetsika fanaon’ny ankolafy Ravalomanana isaky ny sabotsy i Me Rasamimaka Mahefalahy tao ho ao, ka misy ny mihevitra fa nametra-pialana na namindra fahefana ny tenany. “Mbola izaho no mpandrindra rejionalin’ny ankolafy Ravalomanana eto Toamasina, tsy mbola namindra fahefana aho fa amin’ny maha mpandrindra ahy dia manoro sy mandamina ny zava-misy no ataoko, fa ireo mpitarika eny anivon’ny Distrika sy ny Kaominina no misahana ny fanomanana ireo hetsika misy rehetra”, hoy i Me Rasamimaka Izay no lalàna mifehy ny antoko sy ny didy ifampifehezana eo amin’ny mpikamban’ny ankolafy Ravalomanana, hoy hatrany i Me Rasamimaka. Nanamafy ity farany fa ny fampodiana an-tanindrazana an’Atoa Marc Ravalomanana ihany no katsahany sy notakiany sy ny mpiara-dia aminy ao Toamasina tao anatin’ny enin-taona izao. Koa raha mahavita izany ny filoha vaovao dia izay no takian’izy ireo aminy satria ny Malagasy maro an’isa no mitaky izany ho mariky ny fampihavanam-pirenena marina.

 

Tsy mpifahavalo ny MTS sy ny TIM fa samy manana ny fomba nentiny nanatsarana ny tanànan’i Toamasina

 

Momba ny fanamboaran-dalana tanterahina ao Toamasina tampon-tanàna indray dia nilaza Rasamimaka fa “tohin’ny MAP napetrakay ny zava-misy satria izao vao niverina ny famatsiam-bolan’ny mpamatsy vola tamin’izany ; ireo lalana namboarina ihany koa dia tafiditra tao anatin’ny tetikasa efa nipetraka 8 taona lasa”. Nomarihany koa fa “tsy mpifahavalo ny MTS sy ny TIM fa samy manana ny fomba nentiny nanatsarana ny tanànan’i Toamasina fotsiny, koa isaorana raha manohy ny tetikasa efa novolavolainy ho tombontsoan’i Toamasina ny minisitry ny asa vaventy ankehitriny”. Ankoatra izay dia nomarihan’i Me Rasamimaka fa tsy tokony hafangaro loko politika ny fanamboaran-dalana fa izay hita fa simba dia arenina tahaka ny ao Tanambao I – II – III misy mpikambana TIM marobe ao Toamasina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT