Samy manana ny fahitany sy ny fandinihany ny antony tsy nahatanteraka ny fepetra napetraky ny SADC, mikasika ny datin´ny 29 febroary ny mpanao politika Malagasy. Manana ny heviny mikasika izany koa ny CST Me Rasamimaka Mahefalahy avy amin´ny ankolafy Ravalomanana, ka toy izao ny resaka nifanaovana taminy.
Tia Tanindrazana (TT) : Tapitra ny fe-potoana nomen´ny Sadc ny malagasy ho fampiharana ny voalazan´ny tondrozotra, indrindra ny fitoniana ara-politika amin´ny alalan´ny famotsoran-keloka, ny hevitrao ?
Me Rasamimaka Mahefalahy (Me Mahefa) : Tsy vao ny fifampiantsoana natao tany Pretoria farany teo nataon´Atoa Fransman iny ny fe-potoana nomeny antsika Malagasy, fa efa taorian´ny fanaovana ny sonia ny fampiharana ny tondrozotra ny taona lasa, nefa tsy nisy nanaja izany ary mbola hita hatramin´izao. Ny fandikana vilana sy fisian´ny fihatsarambelatsihy be loatra ary ny tsy fitiavana olona iray manokana, no mahatonga ny tsy fahatontoson´ny fampiharana ny tondrozotra amiko. Raha ho anay ankolafy Ravalomanana, matoa izahay niditra amin´ny fiaraha-mitantana dia vonona ary tsy hiala ao izahay na terena hiala aza, amin´ireo antsojay maro atao aminay sy ny mpanara-dia anay.
TT : Inona ary aminao no antony tsy nampiharana izay nifanaovanareo sonia ireny ?
Me Mahefa : Tsotra ny antony, ny tahotry ny FAT hampihatra izay nataony sonia fotsiny. Matahotra izy ireo fa raha sokafana ny haino aman-jery hafa heveriny fa hany mpanohitra dia ny fitsikerana azy, ny tahotry ny olona nogadrainy fahatany amin´ny valifaty ary ny tahotry ny filoha Ravalomanana amin´ny fifidianana sy amin´ny heverina fa hanao valifaty ny fahatongavany eto. Nefa tahotra tsy mandeha mankaiza ireo satria tsy heritreretin´ny olona akory, fa mahana tamin´ny nataony ny FAT ka manahy mafy tsy misy antony dia mamorona fotsiny.
TT : Tsy tratra ary ny fe-potoana nomena, dia inona azy izao ny manaraka ?
Me Mahefa : Ny manaraka izao dia ny fiandrasana ny volavolan-dalàna mikasika ny famotsoran-keloka izay tokony ho efa nandalo teo amin´ny fivoriana tsy ara-potoan´ny parlemantera niaraka tamin´ny lalàna mikasika ny fifidianana teo. Raha izao izany no izy dia tsy maintsy mbola hisy fihaonana tsy ara-potoana faha-04 hataon´ny parlementa handinihina izany, nefa ny lalàn’ny famontsoran-keloka aza toa mbola an-kibon´ny omby no misy azy, na teo ireo volavolan-dalana 03 efa nifampidinihan´ny governemanta sy ny prezidansa ny tetezamita ary ny komity manokana. Ny mahagaga eto dia ny volana oktobra tamin’ny taona lasa no efa nilaza fa nahavita io volavolan-dalana io ny minisitry ny fitsarana, nefa nahoana izao mbola mitarazoka izao ihany ? Ny olana eto dia hikendrena olona manokana dia ny filoha Ravlamomanana ny volavolan-dalàna, ka izay no hitarazohany satria raha mandalo eo anivon´ny Sadc izy io dia betsaka ny zavatra mety hiova ary tsy hanaiky ny tsy fanomezana izany ho an´Atoa Ravalomanana izy ireo, ka izao mbola hifandroritana.
TT : Ho vita ihany ve izany ny fifidianana amin´ity taona ity sa ahoana ny fahitanao azy ?
Me Mahefa : Raha ny tokony ho izy dia mbola azo henjehina izany, saingy io tahotra sy ahiahy be loatra eo amin´ny FAT amin´ny fampiharana ny voalazan´ny tondrozotra sy efa nanaovana sonia io no olana raha tsy voavaha haingana. Raha dila mantsy ity volana martsa ity nefa tsy mipetraka ny fitoniana ara-politika miantoka ny fifidianana madio sy mangarahara ary heken´ny rehetra ambaran´ny tondrozotra, dia tsy hisy fifidianana ho vita eto raha tsy ny taona ho avy 2013. Mila manaja ny sonia ny FAT, fa tsy hanao toy ny teo aloha, izay nanomboka tany Maputo hatrany Pretoria ary mbola mikasa ny hanao izany tamin´ny sonia natao teny Ivato koa. Raiso ny andraikitra ry vahoaka raha izay no misy fa voageja ny firenena, mahantra ny Malagasy.
Nangonin-dRakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.