Politique

Me Rasamimaka Mahefalahy “Ireo lehiben’ny tafika sy ny FAT no olana eto”


  • Alakamisy 16 Aogositra 2012

Ankoatra ny ankolafy Ravalomanana eto Antananarivo izay manao hetsika isan’andro, dia mihetsika sy mampita vaovao ary mifamory amin’ireo mpikambana sy mpomba azy hatrany ihany koa ny ao Toamasina

 Ny Me Rasamimaka Mahefalahy izay mpikambana eo anivon’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy, no mpandrindra izany ao Toamasina. Nisy ny resaka nifanaovana taminy, mikasika ny ankolafy Ravalomanana ao Toamasina ity.

 
Tia Tanindrazana (TT) : Ianao no mampandrindra ny ankolafy Ravalomanana ao Toamasina, aiza ho aiza io ankolafy io ankehitriny ?
Me Rasamimaka Mahefalahy (Me Mahefa) : Velona ary tena mbola ao anatin’ny heriny tanteraka ny ankolafy Ravalomanana ao Toamasina. Mivelatra be anefa i Toamasina satria misy Faritra telo, ka noho ny fandaminana dia ny Faritra Atsinanana iray manontolo no sahaniko mikasika ny fandrindrana izany ankolafy izany. ireo Faritra roa ambiny dia Analanjirofo sy Alaotra Mangoro dia misy mpiara-dia hafa kosa no misahana azy ireo. Raha ho an’ny Faritra Atsinanana manokana, dia misy hatrany ny fifampitana vaovao, ny fanentanana ny mpiara-dia sy ny mpitolona ka anjaran’ny any amin’ny Distrika no mandamina izany, amin’izay fotoana mahamety sy hahafahan’ireo vahoaka sy ny mpitolona miatrika ny fihaonana. Isaky ny sabotsy kosa ny fihaonambe ho an’i Toamasina renivohitra, ankoatra ireo fivoriana manokana atao isaky ny alarobia ho an’ny birao natsangana isam-pokontany sy ny fikambanana maro samy hafa ao anatin’ny ankolafy, ny zoma kosa ho an’ny birao foibe ho fandaminana ny fitantanana ny tolona.
 
TT : Teo aloha dia tao anatin’ny Rodoben’i Toamasina ny ankolafy Ravalomanana. Tato ho ato toa tsy hita ao intsony, inona no nahatonga izay ? Misy olana angaha eo aminareo ?
Me Mahefa : Apetraka mazava aloha fa ny tsy fahazavan’ny andraikitry ny ankolafy sy ny Rodobe no olana eto. Nantsangana ny Rodobe noho ny fifanarahana teo amin’ny filoha mirahalahy, dia Ravalomanana sy Zafy, mba hamondronana ny ankolafy telo dia nanaraka izany ny tao Toamasina. Ny an’ny ankolafy Ravalomanana anefa tsy vitan’ny goavana izy tao anatin’ny Rodobe, fa ny foto-keviny koa dia tsy ny famerenana ny ara-dalàna ihany fa ny famerenana ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana sy ny firotsahany hofidiana ihany koa. Ny fahitana ny tsy fitovian-kevitra tamin’ny tanjona hafa napetraka tsy nifanaraka loatra tamin’ny tanjona napetraky ny ankolafy Ravalomanana no hita teo anivon’ny Rodobe. Nisy aza fotoana efa fanilihana ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana tsy ho mpikamban’ny Rodobe Toamasina intsony ka nampisy disadisa teo amin’ny samy mpikambana. Izay aloha no nisintahana ka tsy haiko na mbola misy na tsia ilay hoe Rodobe Toamasina aloha hatreto. 
 
TT : Misy mpikambana ao aminareo milaza fa ianao Me Rasamimaka dia tsy azo ifampiresahana. Ahoana ny avalinao izay fanakianana anao izay ? 
Me Mahefa : Sady tsy masiaka ny tenako no tsy miavona ihany koa ary azo ifanakalozan-kevitra tsara. Ny olana ho an’ny sasany dia ny fampiharana ny lalàna sy ny fitsipi-pifehezana eo anivon’ny antoko na fikambanana. Misy fotoana anefa tsy maintsy hentitra ny tenaamin’ny maha mpitarika sy mpandrindra fikambanana goavana tahaka ny ankolafy Ravalomanana ity. Raha tsy ao mantsy ny fanajana ny lalàna sy ny fitsipika io, dia tsy misy zavatra handeha sy samy hanao ny lohany eo ny rehetra, dia hibirioka any amin’ny tsy izy ny raharaha, ka na ny tolona atao aza tsy ho tratra ny tanjona tiana sy hiarahana mametraka.
 
TT : Ka izay anie no anton’ny fisintahan’ireo mpiara-dia taminareo ireo araka ny teniny e ?
Me Mahefa : Raha tena Tiako i Madagasikara mpiara-dia amin’ny filoha Ravalomanana izy ireo, raha tena mpitolona teo anivon’ny ankolafy Ravalomanana tamin’ireny olana ny taona 2009 ireny ihany koa, dia tsy misy idiran’ny fahasiahana sy fiavonana ny zava-misy, fa fepetra napetraka ho fandaminana ny hetsika sy ny tolona no tsy maintsy hajaina sy najaina. Mety ho izay angamba no tsy zakan’ny sasany. Fa lazaiko eto, ireo tena mpitolona sy tena mpiara-dia tamin’ny filoha Ravalomanana nanomboka ny taona 2001 hatramin’ny taona 2008, dia mbola miaraka aminy sy miaraka aminay ary manohana azy hatreto na misy aza ireo tsy miteny sy mangina ary mbola misitrika noho ny zava-misy sy ny fanenjehana ara-politika azy. Ireo sadasada no hita fa mikisaka sy manosi-bohon-tanana ary namadika mihitsy ny filoha Ravalomanana ankehitriny.
 
TT : Aiza ho aiza kosa ary ny fifandraisanareo ankolafy Ravalomanana amin’ireo fikambanana tsotra sy ny vondron’olon-tsotra manohana an-dRavalomanana misy ankehitriny ireo ?
Me Mahefa : Tsy voatery mpikambana feno eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana ny fikambanana na vondrona iray, vao heverinay fa ankolafy miara-dia aminay. Ny foto-kevitra no maha ankolafy Ravalomanana, izay mitaky ny fiverenan’ny filoha, hanohana azy amin’ny fifidianana manaraka rehetra atao eto, ary hifanampy aminy amin’ny fitantanana ny firenena rahatrizay ihany koa. Misy ireo vondrona na fikambanana ireo manana izay, dia efa ao anatin’ny ankolafy izy izay, fa ilay resaka politika sy ny fomba fitondrana ny tolona amin’ny tanjona iraisana no mampiavaka sy hiavahana eo, fa ny tanjona dia iray ihany ary toromarika rehetra arahana ho an’ny fikambanana sy ny vondrona ary ny ankolafy manohana ny filoha Ravalomanana, dia miainga avy any aminy ihany no tanterahina sy arahina amin’ny fanaovana ny tolona. 
 
TT : Mety mbola haharitra rahoviana ity tolona ataonareo eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana ity, raha izao zava-misy iainan’ny firenena ara-politika izao ?
Me Mahefa : Raha ny faharetan’ny tolona atao eo anivon’ny ankolafy, dia tsy hisy fetrany raha ny fahitako azy. Ny tanjona dia ny fodian’ny filoha Ravalomanana, avy eo ny filatsahan-kofidiany ary ny fanohanana ny asam-pampandrosoana hatao avy eo. Noho izany, asa lavitra sy mbola mideza no hotanterahina, satria ny hanaovana politika ny fakana fahefana saingy amin’ny ara-dalàna, ny fitadiavana fomba hampandrosoana ny vahoaka sy ny firenena. Ny olana eto anie dia ireo lehiben’ny tafika sy ny FAT, mahita ny ankolafy manao tolona ara-dalàna sy manao izay tsy hisian’ny korontana dia tena manararaotra amin’ny famoretana mihitsy. Efa nampianarina ny hisakoroka amin’ny fanozongozonana fitondrana isika, tahaka ny nataon’izy ireo ny taona 2009, nefa ho an’ny filoha Ravalomanana dia tsy ekeny izany ka ao anatin’ny tolona ara-dalàna sy manaja ny soatoavina Malagasy manaja ny aina no hanaovana ny tolona rehetra. Izay no mahatonga ny filoha Ravalomanana sy ny ankolafy tsy matahotra ny farany, satria tsy nanao ratsy ho an’ny firenena izy sy izahay.
 
TT: Misy zavatra mbola tian’ny Me Rasamimaka Mahefalahy holazaina ve ?
Me Mahefa : Misy ny milaza fa malemy ny ankolafy Ravalomanana. Tsia tsy malemy izahay ! Eo koa ireo miteny fa mandefitra izahay. Tsia tsy marina izany ! Misy foto-kevitra tian’ny filoha Ravalomanana ampitaina amin’ny vahoaka amin’ny fihetsikay, fa misy tsy mahatsapa izany, indrindra ireo milaza azy ho mpitondra nefa raha sakoroka na ady na korontana no ambara fa hetsika ara-politika tena tsara, dia tsy ao anatin’izany izahay. Betsaka ny teny maharary sy ny fanivaivana mahazo anay, nefa raha ny fandeferanay nefa hahatratraranay ny tolona tianay hahatongavana, dia tsy maninona raha izay no heverin’ny olona sasany fa fahalemena. Ny tantara no hitsara ny rehetra rahampitso, ka ho hitan’ny vahoaka Malagasy izay fahavalom-pirenena sy nanapotika ity Madagasikara ity.
 
Nangonin-dRakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT