Politique

Me Rasamimaka Mahefalahy “Don-tandroka ny an’ny GIC-M”


  • Alarobia 17 Jolay 2013

“Natao ihany ny tsy hiteny fa tena manao an’i Madagasikara ho ambany fahefany fa tsy mahaleotena ny GIC-M amin’ny fehin-teniny farany teo”. Izay no nambaran’ny Maitre Rasamimaka Mahefalahy.

Lalàna iraisam-pirenena taiza no nakan’ny GIC-M an’ireny fanapahana noraisiny ireny, hoy ity mpikambana CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity. Raha ny zava-misy mantsy dia tsy fiangaviana fa tena karazana didim-pitsarana mihitsy ka raha tsy tanterahina dia milatsaka ny sazy. Hafahafa izany, hoy ny Me Rasamimaka satria tsy mijanona ho mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka hamaha ny krizy intsony izy ireo. Ny tena mahagaga, hoy hatrany ity mpahay lalàna ity, dia tsy mbola mivoaka akory ny sazy avy amin’ny firaisambe afrikanina dia efa mandatsaka ny azy ny Frantsay, toa te hamerina ny fihetsiny tany Cote d’Ivoire amin’izay afaka mampiasa ny tafiny hiarovana ny tombontsoany amin’ny fambolena korontana mba hanamarinan-tena amin’ny fihetsiny. “Tsy misy azon’ny Malagasy atao raha tsy miaro ny fiandrianany satria don-tandroka fotsiny ny an’ireo GIC-M sy ny Frantsay mpampirisika ao anatiny”, hoy hatrany ny CST Maitre Rasamimaka Mahefalahy nanentana ny Malagasy hiaro ny fireneny sy ny safidiny.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT