Mbola mitana ny sain’ny mpanao politika hatrany ny toe-draharaha misafotofoto eto amin’ny firenena. Nanao fanamarihana i Me Rasamimaka Mahefalahy, mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana ao Toamasina fa “betsaka ireo te hanilika ny ankolafinay amin’ny zava-misy ankehitriny, nefa tsorinay fa tsy azo ihodivirana izahay noho ny lanjan’ny ankolafy Ravalomanana eo anivon’ny vahoaka sy ny tontolo politika”. Nohamafisiny fa nisafidy ny hanohana ny filoha ny ankolafy satria mitovy ny vina fampandrosoana an’i Madagasikara.
Ankilan’izay dia nolazain-dRasamimaka fa tsy maty akory ny hetsiky ny Magro Toamasina fa nisy ny maka aina kely, misy hatrany anefa ny fihaonana sy fivoriana isaky ny alarobia sy ny sabotsy hifampitana vaovao sy hifanomezana toromarika samy hafa».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.