Politique

Me Hery Rakotomanana «Voafitaky ny ministeran'ny atitany ny CENI»


  • Alarobia 11 Aprily 2012

Vahinin'ny Tia Tanindrazana amin'ity anio ity ny Maitre Hery Rakotomanana filohan'ny CENI na vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana teo aloha. Horesahana ato ny momba ny fahaleovantenan'ny CENI, izay niteraka resabe tokoa. Ao koa ireo olana nosedraina nandritra ny roa taona. Milaza ny fomba fahitany ny CENIT ihany koa ny Me Hery Rakotomanana ary nanambara ny heviny ny amin' ny mety ho tohin'ny fiainam-pirenena amin'ny ankapobeny. Araho ary ny tafa sy dinika.

 Tia Tanindrazana(TT) : Mahaliana ny maro ny hahafantatra hoe : nahaleotena marina ve ny CENI tamin'ny asa nataony ?

Hery Rakotomanana (HR) : Azo lazaina fa nahaleotena ny CENI teo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra satria tsy nisy mihitsy ny olona nibaiko na nanindry bokotra anay. Teo amin'ny lafiny ara-bola kosa no tena sahirana izahay satria tsy nanana sorabola mazava voasoratra tao amin'ny tetibolam-panjakana ny CENI, fa dia ny vola natokana hikarakarana ny fifidianana no nandrimbinana mba hampiasainay. Nanahirana anay ihany koa ny teo amin'ny resaka lalàna, satria tsy izahay no mandrafitra sy mamolavola izay lalàna hampiasainay fa na ny ministeran'ny atitany no manao izany, na ilay izy mivoaka avy any amin'ny tsy fantatra avy any. Nanembantsembana anay tamin'ny asanay izany rehetra izany.

TT : Inona marina no tena olana ka tsy nahatomombana ilay fitsapan-kevi-bahoaka tamin'ny 17 novambra 2010 iny ?
HR: Fanapahan-kevitray tao amin'ny CENI, tamin'ireny fotoana ireny ny tsy maintsy hirosoana amin'ny fifidianana mba hiverenana haingana amin'ny ara-dalàna. Niara-niasa tamin'ny ministeran'ny atitany izahay, ary nilaza ry zareo fa efa tomombana ny lisi-pifidianana. Dia roso ny dia, kinanjo tsy vita araka ny tokony ho izy ilay lisi-pifidianana. Maro be ny mpifidy tsy tafiditra tao na diso ny voasoratra ny mombamomba ny olona iray tao, ka teo no olana. Voafitaky ny ministeran'ny atitany izahay tao amin'ny CENI. Namoaka didy hitsivolana ny fitondram-panjakana nanome alalana ny fampiasana ny karinem-pokontany mba hahafahana olona maro be mifidy. Tsy tratra anefa ny tanjona satria tsy ny nisy afa-tsy 0,2 isan-jato fotsiny ny fitomboan'ny olona tonga nifidy.

TT : Fa inona izany no tena olana teo aminareo, ny lafiny ara-olona ve sa ara-bola sa ara-pitaovana ?
HR : Averiko indray fa tsy nomena tetibola mazava hiasana ny CENI, fa tamin'ny vola natokana hikarakarana fifidianana izy no naka. Izahay anefa dia mampiasa olona maro be manerana ny ny Nosy, tsy maintsy omena karama isam-bolana. Ka ahoana moa izany raha toa ka tsy misy fifidianana ? Tsy misy vola izany, niteraka fahavoazana tamin'ny asa sy ny fomba fiasan'ny CENI io tsy fananany tetibola io, ary mazava ho azy fa tsy maintsy nisy akony tany amin'ireo mpiasa sy ny fitaovana nampiasaina izany.

TT : Tafajoro ny CENIT ankehitriny, eo amin'ny lafiny ara-teknika dia firy volana no ilaina amin'ny fananganana ireo rantsamangaika manerana ny Nosy ?
HR : Raha fanamboarana ny rafitra efa misy fotsiny no atao dia tsy ela izany, fa raha toa ka tena hanova tanteraka mihitsy ry zareo dia maharitraritra ihany. Ny CENI tamin'ny nitantananay azy izao, herintaona mahery mihitsy vao nahavita nametraka ny rantsamangaikany rehetra maneana ny Nosy.

TT : Hita ao anatin'ny CENIT ny ankamaroan'ny solontenan'ireo sehatr'asa maro sy ny vondrona politika. Aminao, ampy hanafainganana sy hanatsarana ny fomba fiasa ve izany ?
HR : Araka ny efa nambarako teo aloha, dia miankina amin'ny vola io. Raha omena tetibola mazava ny CENIT ka tonga ara-potoana ao amin'ny kitapom-bolany izany dia mandeha ny asa, tsy misy ny olana. Manampahaizana sy manana traikefa avokoa ireo mpikambana ao amin'ny CENIT ireo. Misy minisitry ny atitany teo aloha roa ao, misy mpahay lalàna, misy administratera sivily, mpanao gazety...tsy ny olona no olana eto, fa ny rafitra. Ka rehefa mazava tsara ny rafitra sy ny fomba fiasa ary ny hoenti-manana dia milamina ny asa. Mila atao mazava ny tetibolan'ny CENIT ary aleo hiainga avy amin'ny mpikambana ao ny fandrafetana ny lalàna, fa tsy ny ministeran'ny atitany indray no hanao ny lalàna momba ny fifidianana kanefa ny CENIT no efa nifanarahana fa hikarakara izany.

TT : Araka ny fahitanao azy, mety ho tratra ihany ve ny hanatanterahana fifidianana amin'ity 2012 ity ?
HR : Raha manana tetibola mazava ny CENIT ary haingana amin'ny fanapahan-kevitra raisiny dia mety ho tratra ihany izany. Fa amin'ny fijeriko manokana aloha dia ohatry ny efa teritery ihany ny fotoana e ! Mampanahy be ihany ny mety hahavitantsika fifidianana amin'ity taona ity izany.

TT : Farany, amin'ny maha olom-pirenena anao, inona aminao no tena vahaolana mahomby amin'izao krizy izao ?
HR : Fanontaniana roa no apetrako. Voalohany, tena tia tanindrazana marina ve ny mpanao politika Malagasy ary mizotra any amin'ny fanasoavana ny tanindrazana ve ny asa politika atao eto ? Faharoa, vonona ny hiroso amin'ny fifidianana marina mba hiverenana amin'ny ara-dalàna ve ny besinimaro ? Raha eny ny valin'ireo fanontaniana roa ireo dia tokony hilamina isika dia mivaha ny krizy.

Isaorana ny Me Hery Rakotomanana nanaiky nivahiny teto amin'ny gazety Tia Tanindrazana ary namaly tamin-kitsim-po, ny fanontaniana rehetra.

Nangonin'i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT