Politique

Me Hanitra Razafimanantsoa “Mivarahontsana ny FAT”


  • Alatsinainy 23 Jolay 2012

Mitahy Andriamanitra fa mivaly ny vavaka nataontsika, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa filoha lefitry ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita tamin’ny sabotsy tetsy amin’ny Magro Behoririka.

 Hisy ny fihaonana eo amin’ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina atsy Seychelles, hoy izy, ary efa saika ny alahady 22 jolay no hanatanterahana izany saingy noho ny fihazohazoan’ny ankilany dia nahemotra amin’ny talata 24 jolay ary efa nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana nivantana tao Bel’Air izany ny zoma teo. Ny takariva indray anefa, hoy izy, dia niantso anay izy ka nilaza fa amin’ny alarobia 25 jolay indray vao hisy io fihaonana io. Na talata na alarobia na alakamisy fa tsy olana amin’ny filoha Marc Ravalomanana izany ary efa nekeny fa isika koa efa telo taona no niaritra teo tsy kivy amin’izany fa ny tolona tsy maintsy mandresy. Mifanatri-tava sy mifampiresaka no hatao any Seychelles, hoy ny Me Hanitra.

Tsy hitovy mihitsy amin’ny dinika natao tany Mozambika sy Addis Abeba sy Afrika Atsimo teo aloha no hatao any Seychelles fa fifanatrehana hafa mihitsy. Hain’ny filoha Marc Ravalomanana tsara ny momba izany ary matoky azy isika, hoy ihany ity parlemantera ankolafy Ravalomanana ity. Mampiavaka antsika Zanak’i Dada, hoy izy, ny fanekena izay tenenin’ny filoha Ravalomanana. Koa tso-drano ombam-bavaka no alefantsika ho azy. Isika tsy mangataka zavatra ankoatra izay voalazan’io tondrozotra io dia ny voalazan’ny andininy faha-16, 17 ary faha-20. Naheno antsika hoe maro dia maro no tonga eto Behoririka ry zareo ankilany dia matahotra, hoy ity mpitari-tolon’ny ankolafy Ravalomanana ity. Henony ny feontsika eto dia mivarahontsana ry zareo koa hangataka ny Fanahy Masina isika hirotsaka amin’izy ireo mba hiovany fo.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT