Politique

Me Hanitra Razafimanantsoa Mila fifanatonana ny Malagasy


  • Alarobia 04 Janoary 2017

Noho izao fahatratrarana ny taona vaovao 2017 izao dia faly miarahaba ny vahoaka Malagasy tsivakivolo ny tenako amin'ny maha-sololmbavambahoakan'i Madagasikara ahy sy maha-filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritananin'Antananarivo manokana ihany koa, hoy ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa avy amin'ny antoko TIM.

 Mirary soa ho an'ny rehetra ny tenako araka izany, hoy izy, mba hahita fahombiazana tanteraka amin'ity taona vaovao ity. Ho taonan'ny fifandeferana sy fanetre-tena anie ity taona 2017 ary ho taonan'ny fifanatonan'ny samy Malagasy tsy misy an-kavanavaka koa na mitana toerana ambony izy na olon-tsotra. Raha tsy miara-misalahy isika Malagasy, hoy i Me Hanitra Razafimanantsoa, tsy misy fampandrosoana ho vanona izany eto Madagasikara. Tena zava-dehibe io fifanatonan'ny samy Malagasy io, hoy izy, fa antoky ny fahombiazana tanteraka. Ambarako etoana fa tsy misy tsy vitan'ny fifampidinihana ny fandraminana ny zava-drehetra eto amin'ity firenena ity.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT