Herinandro ho kihon-dalana goavana ho an’ny tolon’ireo mpiara-dia amin’i Marc Ravalomanana, eny amin’ny fiainam-pirenena ity herinandro hodiavina ity.
Raha ny fitakiana nataon’ny firehana Ravalomanana dia tokony hivoaka amin’ity herinandro ity ireo gadra politika rehtera na miaramila na sivily, hanao fety miaraka amin’ireo fianakaviany tsirairay avy. Eo koa ny filazan’ny filoha Ravalomanana fa hody tsy ho ela ny tenany na iza hanakana na iza. Herinandro hamaranana ny tolona ity, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno ka mila miara-miatrika ny zava-misy sy miara-miomana amin’izay tandrify ny tsirairay. «Hody ny filoha Ravalomanana, raisinay ny risika», hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa, mpisolovava azy sady filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita rahateo koa.
Efa fanjakana koa isika izao, anaty rafitra fa tsy ivelany intsony, hoy ihany izy nanoloana ireo vahoakan’i Magro ny sabotsy 17 desambra teo. «Tsy misy atahorana fa ampiasaintsika amin’ny maha-mety azy ny zontsika. Rehefa tsy hamerina ny filoha Ravalomanana ny sasany dia isika manana ny fahefana hampody azy eto. Manana 7 andro (nanomboka ny sabotsy) isika hampodiana ny filoha eto. Mitaky ny fahavononana avy amin’ny tsirairay anefa izany", hoy ihany izy. Momba ny NOTAM izay navoaka, araka ny baiko avy ao Ambohitsorohitra, indray dia nambaran’ity mpahay lalàna ity fa misy ny misandoka asan’olona satria naoty ho an’ireo mpanamory fiaramanidina ny NOTAM izay tokony ho minisitry ny fitaterana no hanao izany ka manome izany ny Tale jeneralin’ny ACM. Tsy izany anefa no nitranga fa avy hatrany dia nilatsaka avy any Ambohitsorohitra izany naoty izany.
Manoloana izany dia nambaran’ny Me Hanitra Razafimanantsoa fa “rehefa tsy hay ny asa dia tokony hiala amin’izany fa tsy misandoka ny an’ny olona”. Ankoatra izay dia nasiany resaka ihany koa ny momba ireo mpitondra rehetra, izay tsy nisy voafidim-bahoaka na iray aza fa nisoratena avokoa. Nambarany àry fa tsy tokony hisy sary hipetrapetraka eny amin’ireo biraom-panjakana amin’izao tetezamita izao. Mikasika ny korontana volena hanakanana ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana ihany dia nambaran’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Constant Raveloson fa tsy vitan’ny fampodiana fotsiny ny filoha ny asa miandry fa eo koa ny fiarovana ny ainy sy ny filaminana. Mitaky andraikitra avy amin’ny isam-batan’olona izany ary dia ny mpitsara amin’izao dia an’ny Troika. Ity rafitry ny SADC ity no tokony hampahatsiahy na koa hampitandrina an’ireo minia mitsipaka ny sori-dalana izay efa lalàna.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.