Politique

Me Hanitra Razafimanantsoa Hitory ireo tompon’andraikitra


  • Alatsinainy 30 Jolay 2012

‘ Fanosihosena tanteraka ny zo maha olona ny zavatra natao an-dRtoa Lalao Ravalomanana sy ny vinantovaviny ny zoma lasa teo’ , hoy ny mpisolovavan’ny fianakaviana Ravalomanana, Hanitra Razafimanantsoa.

 Nambarany fa efa tafahoatra loatra ka mila tsy ho zaka intsony ny fandeferana. Fandroahana teratany amin’ny taniny, fikasihan-tanana,  fanalana anaran’olona... Ampahany amin’ny herisetra natao tamin’i Lalao Ravalomanana sy ny vinantony ireo, hoy ihany ity mpisolovava ity. Nambarany fa lalàna telo vaovao no noforonin’ny Fat tamin’iny zoma iny.

Raha ny lalàna manko, araka ny fanazavana dia tsy azo atao intsony ny mandroaka olona rehefa nandalo ny polisy sy ny fadintseranana ny olona iray. Ny teratany koa dia tsy azo roahina hiverina. Nodikain’ny Fat anefa ireo ary mbola nampiany fa fisolokiana anarana ny fitondrana ny anaran’ny tena fa tsy ny an’ny vady, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa. Fanapahan-kevitr’olo-tokana ireny, hoy ny filoha lefitry ny filankevitra ambonin’ny tetezamita. Matoa tonga teto i Lalao Ravalomanana dia misy antony fa tsy tongatonga ho azy. Milaza ny hametraka fitoriana ho an’ireo izay tompon’andraikitra mivantana na ankolaka tamin’iny tranga iny moa ny tenany.

Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT