Tontosa soa aman-tsara tao amin’ny Salle d’oeuvre EKAR Soanierana ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao nataon’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), ao amin’ny faha-4.
Nanome voninahitra ny fotoana ny depiote teo aloha voafidy tao amin’ny boriborintany faha-4, Félix Randriamandimbisoa, ireo solombavambahoaka teo aloha voafidy teto Antananarivo notarihin’i Me Hanitra Razafimanantsoa. Tao anatin’izany no nankasitrahan’ny depiote teo aloha, Félix Randriamandimbisoa ny olona rehetra nanohana ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Marina fa nisy ny lesoka tamin’iny fifidianana iny, hoy izy, nefa tsy ataontsika mahakivy izany fa tsy maintsy miezaka amin’ny fifidianana ho avy io isika. Ny depiote teo aloha, Me Hanitriniaina Razafimanatsoa kosa dia nanamafy fa ny fijoroana amin’ny fahamarinana no antom-pisianay nandritra ny naha teny Tsimbazaza anay. Izahay depiote TIM tsy mba voavidy vola fa niady mafy tamin’ny tsy hisian’ny kolikoly, tazoninay hatramin’ny farany izany, hoy ity depiote teo aloha ity. Nalai-nisaraka ireo mpikatroka Tiako i Madagasikara nandritra ny fifampiarahabàna, ka ny masoandro nilentika no nampalahelo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.