Politique

Me Hanitra Razafimanantsoa «Aoka tsy hifamitaka»


  • Alarobia 22 Aogositra 2012

Nanamafy ny Me Hanitra Razafimanantsoa, omaly fa tsy tokony ho sakana mihitsy amin’ny fampiharana ny tondrozotra ny foloalindahy.

 Tsy izy ireo no manapa-kevitra izay mahazo mody na tsia, hoy ity mpisolovava sady filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, mpikambana avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity. Nanamarika ity farany fa misy antony niantsoana ireo manamboninahitra ireo tany Maputo-Mozambika, antony hafa izay tsy nambaran’izy ireo raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo. Mahalala io resaka io anefa, izahay hoy ny Me Hanitra ka “aoka tsy hifamitaka”. Manaraka izany, amin’ny maha tomponandraikitry ny filaminana sy ny fampiharana ny lalàna ny foloalindahy dia izy ireo no tokony ho laharana voalohany amin’ny fanajana ny lalàna, hoy ihany ny Me Hanitra Razafimanatsoa. Rehefa milaza ny lalàna iraisam-pirenena fa malalaka, mivoaka sy miditra ao amin’ny firenena niaviany ny olom-pirenena tsirairay avy dia tokony hohajaina izay fa tsy hiadian-kevitra lava be.

Eo amin’ny fiainan’ny andrim-panjakana kosa dia nanatsidika sahady ity filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity fa misy ny lalàna tokony hahitsy na ovaina, tamin’ireo efa nolanian’ny parlemantan’ny tetezamita satria misy amin’ireo lalàna ireo no tsy mety sy tsy manara-penitra, ao koa ny lalàna mifanipaka. Ary na ny lalàmpanorenana aza dia misy zavatra maro mila amboarina satria tsy mety. 

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT