Politique

Me Hanitra Rakotomavo “Mijanona ao anaty rafitry ny tetezamita ny ankolafy Ravalomanana”


  • Alatsinainy 13 Febroary 2012

Nitodika manokana tamin’ny DST (Direction de la surveillance du territoire) ary nanao antso avo mihitsy ny Me Hanitra Rakotomavo manoloana ny fananaraotam-pahefana ataon’ny DST mba hampitsahatra izany manomboka izao, nanditra ilay valandresaka nataon’izy ireo tao Manjakatompo-Andranomanelatra ny zoma 10 febroary teo.

 Nolazain’ity mpisolovava ity tamin’izany fa fitoniana no tadiavina eto amin’ny firenena kanefa dia mbola ireny hatrany ny fihetsika ataon’ny DST. Amin’ny Me Hanitra Rakotomavo dia karazana fanerena ankolaka ny ankolafy Ravalomanana hiala ao anatin’ny rafitry ny tetezamita ireo fihetsiky ny FAT ireny mba hilazana fa miala amin’ny fampiharana ny tondrozotra izy ireo ary izay no tanjon’ny FAT, hoy ihany izy. Nohamafisiny fa mijanona ao anaty rafitra ary hanohy ny famahana ny krizy ny ankolafy Ravalomanana. Tetsy ankilan’izay dia miantso ny DST mba hamerina ireo fiaran’ny Parlemantera nalaina an-keriny ny Me Hanitra Rakotomavo. Notsahiviny fa tamin’ny fomba tsy ara-dalàna no nakana azy ireny satria nisy ny nalaina teny am-pandehanana sy nalaina tsy nisy taratasy avy amin’ny fitsarana akory ka tokony haverina ireny fitaovana ireny satria hiasan’ny tompony ho an’ny firenena fa tsy an’ny DST.
Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT