Politique

Me Avoko Rakotoarijaona “Hanavotra ny fireneko aho”


  • Alakamisy 23 Febroary 2012

Nanomboka niseho sehatra teo amin’ny fanehoan-kevitra momba ny raharaham-pirenena tato anatin’ny efa-taona izao ny Me Avoko Rakotoarijaona, mpitarika ny Kung-Fu Wisa eto Madagasikara.

 Indraindray anefa dia tsy mazava tsara amin’ny olona ny tanjona tiany hahatongavana. Koa dia niresaka sy nitafa taminy, ny gazety Tia Tanindrazana mba hanazavany misimisy kokoa ny foto-kevitra ijoroany sy ny fahitany ny fizotry ny raharaham-pirenena, hatrizay ka hatramin’izao, ary ny mety ho tohin’ny tantara any aoriana any…

 

Tia Tanindrazana (TT) : Nijoro ary nanohana ny tolom-bahoaka tamin’ny 2002 ny kung fu notarihanao. Nanao ahoana kosa ny toerana noraisinareo tamin’ireny 2009 ireny ?

Me Avoko Rakotoarijaona (Me Avoko) : Efa nomaninay herintaona mialoha ny vahoaka Malagasy fa hisy krizy. Natao ny vavaka isaky ny zoma mba hampihena ny fiantraikany. Noho izany dia tsy nanana fironana izahay satria sitrak’Andriamanitra ny hisian’ny krizy mba hampitodika ny firenena hiverina aminy.

 

TT : Fantatra tamin’ilay hetsika hoe Mifohaza ry Gasy ny Me Avoko, ankehitriny mitondra ny Masoandro Maraina indray, Me kung-fu ve ianao, sa mpaminany, sa mpitarika antokom-pinoana vaovao ?

Me Avoko : Efesiana 4:11. Nisy natao ho Apostoly, ny sasany mpiandry, mpaminany, evanjelistra (mompera, pastera), ary mpampianatra na Maitre. Efa betsaka ny fiangonana eto ka heveriko fa ampy ny anjara asan'ny tsirairay.

 

TT : Maro no mieritreritra fa lasa mpitoriteny, hono, ianao mba hambaboana ny fon’ny Malagasy hanaraka anao. Mety ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena angaha ny Me Avoko ?

Me Avoko : Heveriko fa tsy misy maharatsy ny fampahafantarana ny Malagasy fa tena izy ilay voafidy, sady manankarena ny taniny no misy tombam-bidy ny vatany sy ny fireneny, saingy anjakazakan'ny vahiny satria tsy manisy hasiny ny maha izy azy. Mety hisy fifidianana ihany angaha amin’ity taona ity ? (mihomehy kely)

 

TT : Nisy ireo mpikambana kung-fu sasany nanakiana ny zavatra nataonao tato ho ato, ka nilaza fa tsy tokony hoentina amin’ny resaka politika ny haiady. Mbola voafehinao tsara ve ny kung-fu Wisa sa efa misy ny fivakisana ?

Me Avoko : Tsy mbola mpikambana tao anaty antoko politika aho, tsy mbola nirotsaka hofidiana ihany koa. Ny tarigetra nampianarin'ny raiko ahy dia ny hanavotra ny fireneko. Tsy mbola nisy olona mpanao kung-fu ara-dalàna ka nitsipaka ny hevitro, ka izay olona voavidim-bola sy mitonona ho mpanao kung-fu tsy fanta-piaviana rehetra izao ve dia ekena hiteny amin’ny gazety ?

 

TT : Dimy volana aty aorian’ny nanasoniavana azy, ahoana ny fahitanao ny tondrozotra ? Mamaha ny krizy ve sa mampitombo ny olana ?

Me Avoko : Fanandramana iny “feuille de route” iny. Raha tsy mitandrina isika dia na ho tapitra aza ny 2012 dia hihodinkodina eto. Tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana madio fo tsy manao ambadika ihany no vahaolana raha tena tia tanindrazana isika. Ary tadidio ry mpanao politika fa efa mitondra ziogam-pahasahiranana mafy ny Vahoaka malagasy.

TT : Inona aminao no tena olana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ?

Me Avoko : Andriamanitra no nanao politika voalohany raha nitari-dalana ny zanak’Israely, fa ny lalàmpanorenantsika dia navahana tsara ny politika sy ny fivavahana ka rariny raha tsy ao an-dapa intsony Andriamanitra ka manjaka ny halatra, ny kolikoly, fitiavan-tseza...ka izay no mahatonga anay mampahatsiaro ny vahoaka, fa tsy tokony hisaraka ny politika sy ny fiarahana amin’Andriamanitra. Aminay dia politika maloto no ampiasaina eto.

 

TT : Nilaza ny hijoro sy handray andraikitra manoloana ny fahasahiranan’ny vahoaka sy ny firenena ianao. Izay ny kabary fa inona ny asa azo tsapain-tanana atao amin’izany ? Efa nisy natomboka ve ?

Me Avoko : Mahagaga ny tsy mbola ahatsapan'ny olona sasany fa fandraisana andraikitra azo tsapain-tanana izao fanabeazana sy famoriam-bahoaka sy fifaneraserana matetika izao. Fa “action” inona indray ary no mbola andrasan'ny olona aminay ?

TT : Raha fintinina dia ahoana ny soso-kevitrao hialana amin’ny krizy sy hampilamina ary hampandroso an’i Madagasikara ?

Me Avoko : Madagasikara no ho lohany ara-toekarena sy sosialy amin’ny 2017 eto amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana raha manaiky hiverina amin’ny fototra isika, fa tsy hangala-tahaka ka hanao barofo hiditra amin'ny lalàmpanorenan'ny Repoblika fahefatra. Amin’ny 2079 kosa vao ho afa-patorana indray isika raha mikiry amin’izany.

TT : Raha hitarina indray ny fiaraha-mitantana ny tetezamita, mety hiditra ao anatin’ny fitondrana ve ianao ?

Me Avoko : Tsy mety amiko ny politika maloto manapotika ny tanindrazako.

TT : Matoky ny FFKM amin’ny fanelanelanana ireo mpifanandrina politika ve ny Me Avoko ?

Me Avoko : Ny olon-drehetra izay mbola manana soso-kevitra hampihavana dia tsy tokony hotsinontsinoavina mihitsy amin’izao fotoana izao.

 

TT : Mbola tsaroan’ny maro ny raharaha kung-fu tamin’ny 1985. Efa nanao fanadihadiana momba an’iny ve ianao, hikarohana ny tena marina, sa aleo ny lasa homba ny lasa ?

Me Avoko : Tsy misy zava-miafina tokony hokarohina intsony satria efa fantatry ny rehetra fa ny fitondrana tamin’izany no tompon’andraikitra. Lesona lehibe momba ny fampihavanana tena izy, no nasehonay tamin’ny fahatongavan-dRatsiraka, ary tsy verivery foana ny ra latsaka tamin'ireo namanay satria ny tantaran'izy ireo no mampiroborobo ny kung-fu ankehitriny ka ahafahanay mandray anjara manavotra ny firenena.

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT