Anisan'ireo mitaky ny hanatanterahana fifidianana filoham-pirenena ny MDM na ny Mientana ho an'ny Demokrasia eto Madagasikara, tarihan'i Pierrot Rajaonarivelo.
Io no fifidianana tanterahana voalohany indrindra raha araka ny fanambarana nataon'ny MDM ny sabotsy lasa teo teny Maibahoaka. Ny antony dia satria olana teo amin'ny filoham-pirenena no nisy teo ary nahatonga ny savorovoro politika tamin'ny 2009, ary nitarika ny krizy. Raha toa ka tsy maharesy lahatra ny rehetra izany, dia azo tanterahana miaraka ny fifidianana filoha sy depiote, raha araka ny hevitry ny MDM ihany. Ity vovonana ity moa dia manohana ihany koa ny fihaonana eo amin'i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ary manantena fa hahafahana miroso haingana kokoa amin'ny famahana ny krizy ny fanaovana izany. Efa hatramin'ny 2010 moa no nilaza fa vonona ny handray anjara amin'ny fifidianana rehetra hotanterahana eto ny MDM, ary raha tsy misy ny fiovana dia ny minisitry ny raharaham-bahiny ankehitriny, Atoa Pierrot Rajaonarivelo no kandidan'izy ireo amin'izany. Ny MDM dia mahita ihany koa fa tokony halalaka amin'ny fanehoan-keviny ny tsirairay, raha firenena mandala ny demokrasia marina i Madagasikara.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.