Nitondra ny fijeriny momba ny raharaham-pirenena sy ny mahakasika azy manokana ny antoko MDM na Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara.
Momba ny resabe manodidina ny fanemorana ny fifidianana dia mametraka ny fitokisana amin’ny CENIT ity antoko ity izay milaza fa mankato iny fanapahan-kevitra iny ry zareo. Raisin’i Amable André, sekretera jeneralin’ny MDM ho fanambaniana ireo kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny fanasoketan’ny filohan’ny FAT azy ireo ho tsy tia tanindrazana ka iheverany fa tokony hanenjehan’ny lalàna ity farany. Momba an’i Pierrot Rajaonarivelo manokana dia milaza ny MDM fa izay voalazan’ny lalàna momba ny amnistia no tokony hampiharina fa tsy ilana voatsiary. Misy tokoa mantsy mpanao politika sy olom-pirenena mihevitra fa mila manao fifonana imasom-bahoaka izay mitady famotsoran-keloka. “Ny filoha teo aloha rahateo efa nilaza tany Maputo fa fanenjehana ara-politika no nisy teto tamin’ny 2002. Aminay dia izay nanao “crime de guerre” no tokony hosaziana”, hoy i Velontsarafeno Cyprien, filohan’ny tanora MDM. Anisan’ireo miandrandra famotsoran-keloka vao afaka mitsapa ny fankafizan’ny vahoaka azy na tsia i Tonton Sôla.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.