Nankasitraka ny vahoakan’ny Distrikan’Ambositra tonga nifidy tamin’ny zoma 25 oktobra lasa teo ny MCT Rakotomandimby Désiré. Notanisainy ihany koa ireo lesoka maro mila arenina nandritra ny fizotry ny fifidianana tao Ambositra, toy ny fisian’ny olona tsy tafiditra ao anaty lisi-pifidianana, tsy fahampian’ny fanentanana ny olona hifidy, tsy fahampian’ny fanentanana amin’ny fomba fampiasana ny bileta tokana any ambanivohitra. Nambarany fa tsy nitsanga-menatra ny kandida notohanany tao amin’ny Distrikan’Ambositra fa nahazo vato betsaka na dia 13 andro monja aza no nanaovana fampielezan-kevitra noho ny fandaminana mbola natao. Mikasika ny fifidianana solombavambahoaka dia efa vonona ara-moraly, ara-batana ary ara-politika ny tenany hiatrika izany ao Ambositra.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.