Politique

MBS Anosipatrana Vita ny fanadiovana dia hatsangana ny trano


  • Alarobia 16 Martsa 2016

Natomboka omaly ny fanadiovana ny toerana misy ny foiben’ny MBS eny Anosipatrana. Goavana ny asa miandry ary mila 2 herinandro ny fanadiovana.

 

Tsikaritra koa anefa fa tena nitohy fa tsy nijanona tamin’ny 26 janoary 2009 fotsiny ny fandrobana. Tapitra nongotana avokoa rehefa mety ho vy tao amin’ny MBS. Ilay  Pylone mijoalajoala mirefy 80 metatra nisy ny « emetteur » sisa vy mijoro eny an-toerana. Tazana fa efa nisy nikasa hanongotra ihany koa ireo marbre tao anatin’ny trano saingy mafy dia mafy firaikitra ka tsy afak’ireo nikasa haka azy. Araka ny angom-baovao natao sy araka ny fanazavan’Atoa Joel Ralaivaohita talen’ny famoahan’ny MBS dia mbola mijoro tsara daholo ny rindrina nisy ny Radio sy fahitalavitra MBS ary ny trano nisy ny gazety mpiseho isan’andro le Quotidien sy Ny Vaovaontsika. Aorian’ny fanadiovana dia irosoana indray ny resaka taotrano, izany hoe fanarenana ny simba amin’ireo trano ireo. Vita izay vao miroso amin’ny fametrahana ny fitaovana rehetra ampihodinana indray ity haino aman-jery ity. Tsara homarihana fa mbola mihitsoka eny anivon’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana na conseil d’etat ny « raharaha MBS ». Valo volana izao tsy nokitihana io dosie io, tsy fantatra ny antony. Teny midina sa tsy sahy miditra lalina amin’ny raharaha ireo mpitsara ? Sa mbola miandry fifanarahana politika ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT